Mifanaretsaka ny mponina any Mahajanga amin’izao fotoana izao, taorian’ny fanalefahana ny fepetra noraisin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny 06 septambra lasa teo.
Saika feno olona ny tanàna, rakotra vahoaka ny eny amin’ny Bord indrindra fa ny fiafaran’ny tolakandro sy ny hariva ary amin’ny alina. Fepetra noraisina rahateo ny hoe afaka mivoaka, fa ao anatin’ny fanajana ny fepetra, ary hatramin’ny 10ora alina no fe-potoana farany hahafaha-mijanona eny ivelany. Toa lasa soavaly tapa-kofehy ny mponina amin’izao fotoana izao, ary tombanana vao mainka hahazo vahana izany satria hisokatra manomboka rahampitso 15 septambra ny làlam-pirenena faha-4 mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga, izay tombanana. Ahiana ny hampitombo ny trangana covid 19 raha tsy voahaja ny fepetra satria ao anatin’ireo Faritra mbola ahitana tranga vaovao isan’andro ny any Boeny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.