Tranga iray tsy fahita firy no niseho tao aminny Fitsarana Ambaratonga voalohany tao Mahajanga ny 20 janoary 2010 taminny fiafaranny tolakandro.
Raha fintinina fohifohy dia toy izao ny zava-niseho : polisy iray no tratran’ny Bianco ambodiomby nanao kolikoly ny 19 janoary 2010 teo amin’ny sampanan-dalan’i Marovoay. Ny 20 janoary 2010 dia natolotra ny fampanoavana tao Mahajanga ilay polisy sy olona hafa voasambotra niaraka taminy. Tonga teo ihany koa ny lehibe isan-tsokajiny eo anivon’ny polisim-pirenena ao Mahajanga niaraka tamin’ny andiana polisy tokony ho 30 lahy izay nirongo basy. Raha mbola miandry ny fiantsoana ho ao amin’ny mpitsara mpanao famotorana ilay polisy sy ilay olona hafa dia nalain’ireo polisy namany an-keriny teo am-pelatanan’ny Bianco.
Voalaza fa tsy nahafaly ny lehiben’ny fampanoavana tao an-toerana io fihetsika io ka nantsoiny hifampiresaka aminy tao amin’ny birao fiasany ny Commisaire central sy ny lehiben’ny polisy mpanao famotorana ao Mahajanga ary notohizana ny 21 janoary 2010 ny fampakarana ny raharaha teny amin’ny fampanoavana. Voalaza fa mbola nalain’ireto polisy ireto an-keriny ihany koa ny mpitory ary nobatabatain’izy ireo ka baiko avy amin’ny lehiben’ny fampanoavana milaza ny hamelana io olona io no namelan-dry zareo azy handeha tsotra.
Nangonin'i Jean
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.