Actualités

MAHAJANGA Nodiovina avokoa ireo tsena 5 sy ny tatatra ao an-tampon-tanŕna


  • Zoma 05 Septambra 2014

Tamin’ny enina ora maraina dia efa raikitra ny asa fanadiovana ireo tsena dimy sy ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana ary ny fanalana ny fako ao anatin’ny tatatra tao Mahajanga ny alakamisy teo.

eta content="text/html; charset=utf-8" http-equiv="Content-Type" /> eta content="Word.Document" name="ProgId" /> eta content="Microsoft Word 12" name="Generator" /> eta content="Microsoft Word 12" name="Originator" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_filelist.xml" rel="File-List" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_themedata.thmx" rel="themeData" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_colorschememapping.xml" rel="colorSchemeMapping" />tyle type="text/css">

Niatomboka tao amin’ny tsenan’i Mahabibo ny fanadiovana ary notohizana tamin’ny fanalana ny fako amin’ireo tatatra amoron-dalana rehetra,  nanomboka teny amin’ny bord de la mer ary miafara teny amin’ny tsenan’i Tsararano, tamin’ny alalan’ny asa tanamaro. Lakandrano mirefy 24 km no nodiovina. Tetikasan’ny fitondram-panjakana sy ny kaominina ambonivohitra Mahajanga izy io mba hamerenana indray ny fahadiovana ao an-toerana. Nanaiky tamin’ny fandaminana natao ireo mpivarotra izay nesorina fa manery ny lalana, indrindra teny amin’ny tsenan’i Mahabibo sy Tsararano iny izay efa tena mivoaka ny tsena ka miteraka ny fitohanan’ny fifamoivozana. Olana iray izay mbola sedrain’ny kaominina ao Mahajanga ny tsy fampian’ny toerana ahafahana mametraka ireo mpivarotra ireo. Tsy ny toerana ihany no tsy ampy fa ny fitaovana ampiasain’ireo polisy monisipaly koa. Mitaky fampandrosoana tokoa ny faritra Boeny amin’ity resaka tsena ity satria dia efa lasa gaboraraka ny fitantanana azy io hatramin’izay ka tokony horaisin’ny kaominina an-tanana ny fanaraha-maso azy io satria dia mahatsiro voaelingelina ireo mpivarotra amoron-dalana ny mpampiasa ny lalana rehetra  mandalo amin’ireny tsena dimy ireny ao Mahajanga.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT