Tsy mbola milamina ny tampon-tanànan’ i Mahajanga taoriana ny korontana niseho ny alatsiniainy teo noho ny fandroban’ireo mpianatra ny oniversite ny entana ireo mpivarotra teny amin’ny vy lava
Vokatr’izay indrindra dia nidina an-dalambe ireo mpivarotra rehetra teny amin’ny vy lava Mahabibo ny alarobia maraina teo mba hampafantarina ny fanjakana fa tokony handray andraikitra izy ireo manoloana ny toe-javatra mitranga. Hatramin’ny nisian’ny korontana iny mantsy dia tsy mbola nisy ny fifampiresahina teo amin’ireo mpivarotra sy ny mpitondra eto an-toerana. Raha ny zava-misy omaly maraina dia nizotra am-pilaminana ireo mpivarotra niaraka amin’ny sora-baventy milaza ny fitakiana ataon’izy ireo ka anisan’izany ny filazana fa tena mpianatra no nandroba azy ireo fa tsy olon-kafa. Eo koa ny fanairana ny fanjakana mba hamaha ny olana haingana. Araka ny tatitra nentin’ireo solontenan’ireo mpivarotra fa efa nisy ny fihaonan’izy ireo tamin’ny lehiben’ny distrikan’i Mahajanga I saingy tsy nisy zavatra tapaka na dia iray aza. Ny fametrahana fitoriana arahina porofo mazava ihany no tokony ataon’ireo voaroba izay no voaresaka io lehiben’ny distrika io tamin’ireo mpivarotra hoy hatrany io solontena io. Ny talata teo mantsy dia nisy ny fanambarana nataon’ireo mpianatra ny oniversite fa mbola nilaza hiverina hidiana an-dalambe indray izy ireo amin’ity herinandro ity. Ireo mpivarotra ihany koa dia efa niandry azy ireo hidina ary vonona ny hifanandrina amin’izy ireo raha ilaina izany. Ny mpivarotra sasany teto an-tampon-tanàna dia efa saika nikatona avokoa vantany vao nahare io fanambarana nataon’ny mpianatra io fa sao raikitra indray ny sakoroka ka ho very ny entana amidy. Tsy milamin-tsaina ny mponina ao Mahajanga amin’ity toe-javatra mitranga ity satria dia tsy mbola hita taratra ihany ny fandraisan’ny mpitondra andraikitra ny zava-mitranga.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.