Actualités

MAHAJANGA Nanapoaka basy teo am-pisotrosotroana ilay tovolahy


  • Alatsinainy 24 Jolay 2023

Tovolahy iray vao 30 taona monja no tratra nanapoaka basy tao amin’ny toeram-pisotroana iray tao tany Mahajanga ny 21 jolay lasa teo.

Raha tsiahivina kely dia nahazo antso ny UIR Mahajanga fa misy korontana ao amin'ny toeram-pisotroana iray ao amin'ny poteau mainty ka mihafara amin’ny fanapoahana basy izany. Avy hatrany dia nidina teny an-toerana nisy ilay korontana ny Polisy ka tratra nandritra izany ity tovolahy ity. Niaraka tamin'ny basy vao avy napokany sy bala maromaro izy nandritra izany izay tombanana ho zanak’olona mahitahita. Soa ihany anefa fa tsy nisy ny naratra na namoy ny ainy, an-kevitry ny tifi-danitra no nataon’ilay tovolahy fa tsy hoe hitifitra olona raha ny firesak’ireo nahita ny tranga. Nentina avy hatrany teny amin'ny biraon'ny Polisy ny ity farany natao fanadihadiana ary fantatra fa hiakatra fitsarana anio alatsinainy ny raharaha.
Pati
Legende : Ity ilay tovolahy nanapoaka basy tao anatin’ny toeram-pisotroana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT