Raha mbola tsy nahitam-baliny ankehitriny ny fangatahan’ireo mpivarotra “brochettes” eny amin’ny “Bord”
any Mahajanga fa mbola ny mpitandro ny filaminana no manemitra ny toerana vao manomboka amin’ny 5 ora hariva isan’andro na dia any amin’ny 10 ora alina any aza vao manomboka ny “couvre-feu” any an-toerana dia nanao antso avo koa tamin’iny faran’ny herinandro lasa teo iny ireo mpivarotra eny amin’ny Plage rehetra ao Mahajanga fa tena sahirana mafy izy ireo vokatr’izao fihibohana izao ka nanambara fa mety ho tsy ny aretina intsony no mety hahafaty azy ireo fa ny hanohanana mianjaky mafy. Efa ho feno 5 vola katroka izao no tsy niasanay intsony, hoy ireto mpivarotra ireto, nefa izahay tsy mba nisitraka an’ireo fanampiana samihafa nozarain’ny fitondram-panjaka toy ny tosika fameno sy ny vatsy tsinjo ka mangataka izahay ankehitriny ny hamoahana an’ireo plage misy rehetra eto Mahajanga fa vonona ny hanaraka ny fepetra takiana hiadiana amin’ity valan’aretina ity izahay.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.