Mahajanga

Mpanao vakansy am-polony no voasoloky


  • Alakamisy 24 Aogositra 2023

Tena mirongatra ireo karazana fisolokiana amin’izao faramparan’ny fialan-tsasatra lehibe izao ao Mahajanga ao

Raha araka ny fitarainana voaray dia mpanao vakantsy am-polony avy eto Antananarivo hatreto no efa very vola. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia mody mandefa fampahafantarana amin’ny tambajotran-tserasera facebook ireo mpisoloky milaza fa manana trano ahofa amin’ny vidiny mirary ao Mahajanga ao. Lazainy fa 20.000 Ar dia efa mahofa trano mahazaka olona 4 mianaka, miampy lakozia hahafahana mahandro misy trano fivoahana sy trano fidiovana ao anatiny….Roboka avy hatrany ireo izay mahita izany ka mifandray amin’ilay mpisoloky amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera. Rehefa mandeha eo anefa ny resaka dia mitaky vola famindrahan-toerana amin’ny alalan’ny Mvola….avy amin’ilay olona ilay mpisoloky ka avy hatrany dia vonoiny ilay findainy avy eo ho an’ireo izay tratrany raha bloquer-ny amin’ny tambajotran-tserasera ihany koa io olona io. Hofantrano 3 andro isan’olona anefa no alainy amin’izany raha kely. Ankoatra izay dia hifampitadiavana ihany koa amin’izao ny taxi-brousse miverina miakatra eto Antananarivo. Tsy maharaka intsony ireo mahazatra. Tsy vitsy ireo olona mpisoloky milaza ho manana noho izany ary mangataka Mvola ihany koa . Rehefa tena handeha hody anefa ilay olona dia manjavona ihany koa ilay mpisoloky dia tahaka izay hatrany. Tsiahivina moa fa kaonty fako no hampiasain’ireo mpisoloky ireo. Tokony ho mailo hatrany isika mpanao vakansy miazo an’i Mahajanga manoloana izany. Diso mahazo vahana loatra mantsy izy ireny vokatry ny fahasahiranana sy ny tsy fananan’asa ka aleo mitandrina hatrany.
Pati
Legende : Mirongatra ny mpisoloky ireo mpanao vakansy eo Mahajanga amin’izao fotoana izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT