Araky ny fanapahan-kevitry ny CRCO Boeny omaly talata 25 aogositra 2020 dia efa miverina misokatra amin’ny ora mahaazatra ireo birao rehetra ao amin’ny kaominina ambonivohitr’i Mahajanga nanomboka tamin’io androan’ny omaly 25 io.
Misy hatrany anefa na izany aza ny fepetra napetraka ho fisorohana ny fihanaky ny valanaretina covid-19 toy ny fanasana tanàna eo amin’ny fidirana ao amin’ity lapan’i tanàna ity sy ny fanaovana ny aro-vava sy orona ary ny fanajana ny elanelana 1 metatra,sns... Manankery nanomboka tamin'ny 22 aogositra hatramin'ny 05 septambra 2020 ny fanohizana ny amehana ara-pahasalamana navoakan’ny fitondram-panjakana ka miankina amin’ny fivoaran'ny toe-draharaha ny fiovan'izany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.