MAHAJANGA

Mahazo vahana ny fizahantany anatiny


  • Alakamisy 24 Aogositra 2023

Manomboka miroborobo fatratra ny fizahantany anatiny ao Mahajanga ao.

Efa mahatratra efatra tonta eo ho eo raha kely ireo karazana tanora milatsaka mitrandraka ireo toerana tokony ho fantatry ny mpanao vakansy any an-toerana fa tsy hijanona ho eny amin’ny bord sy ny fakana sary eny amin’ny omby fotsiny ihany ary ny mankeny Katsepy izay efa tena mahazatra tokoa. Anisan’ny toerana tena be mpitia ary handehanan’ireo mpiala sasatra betsaka amin’izao noho izany ny ao amin’ny zohy d’Anjohibe. Toraka izany koa ny “lac sacré” sy ny ranomasina miavaka ao Antsanitia. Mampiavaka ity farany ny fananany ilay tora-pasika mahazo afovoany kely raha vantany vao maraina ny andro. Roa telo eo anefa izany dia rakotry ny ranomasina ka ny fakana sary ihany no azo hatao eny an-toerana. 30.000 Ar no alohan’ny olon-dehibe iray amin’izany miaraka amin’ny fiara mitatitra miala ao Mahajanga sy ny rano fisotro raha 22.000 Ar kosa ny an’ny ankizy. Betsaka ireo mpiala sasatra liana amin’ity fizahana ireo toerana mahaliana ao Mahajanga ity izay mahatratra 50 isan’andro raha kely ho an’ny toerana iray monja.
Pati
Legende : Malaza ny faritr’i Antsanitia amin’izao vakansy lehibe izao ao Mahajanga ao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT