MAHAJANGA

Hifampitadiavana ny taksibrosy mody


  • Alatsinainy 28 Aogositra 2023

Hifampitadiavana nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo ny taksibrosy avy any Mahajanga mody eto Antananarivo,

raha araka ny loharanom-baovao azo. Saika nanapitra ny fialan-tsasatra lehibe tamin’iny herinandro iny avokoa mantsy ny ankamaroan’ireo mpiala sasatra fa maika hanenjika ny fikarakarana ny fidiran’ny mpianatra amin’ity herinandro ity. Misy manararaotra fatratra araka izany ireo koperativa. Misy ireo maika ny hahafeno fiara fotsiny ka milaza ho manana toerana tsara saingy rehefa tonga ny fotoana handehanana tsy ilaina toerana nampanantenainy akory no misy. Efa maika ny hody anefa ireo mpiala sasatra ka tsy afa-manoatra. Misy indray ireo efa nanaovana famandrihan-toerana saingy milaza efa feno… ankoatra ireo mampiakatra saran-dalana eo amin’ny 5.000 Ar isan’olona hoy ny fitarainana azo. Tsy kely lalana ihany koa ireo mpisoloky manoloana izany izay milaza ho manana fiara malalaka miakatra eto an-drenivohitra ka mitaky saran-dalana mialoha amin’ny alalan’ny MVola. Valalanina ny ankamaroan’ireo mpiala sasatra hody eto an-drenivohitra noho izany.
Pati
Legende : Hifampitadiavana ny taxi-brousse mody eto an-drenivohitra avy any Mahajanga amin’izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT