Actualités

MAHAJANGA Feno Emmo-Nat ny tanŕna


  • Alarobia 13 Aogositra 2014

Manoloana ny korontana mateti-piseho ao Mahajanga dia tsikaritra fa mivezivezy eran’ny tanŕna ny Emmo-Nat avy aty an-drenivohitra. Tsy dia fahitan’ ny olona matetika loatra ny fahatongavan’ireo mpitandro ny filaminana nasionaly ireo any amin’ny faritra ka nahavariana azy ireo.

Raha ny zava-misy tato ho ato dia tsy milamina loatra ny renivohitra Boeny ary saika isan-kerinandro no ahitana korontana miseho ka izay no antony mahatonga ireo Emmo-Nat ireo tonga maro any an-toerana mba hanampy ny Emmo-Reg izay efa misy. Maro tokoa ny resaka mandeha fa misy andian’olona hikasa hanakorontana ny ao Mahajanga izay miandry fotsiny ny savorovoro miseho dia hiditra an-tsehatra. Ity raharaha ny oniversite ity tokoa mantsy no tena niteraka koronta lavareny tao an-toerana ary efa matahotra an’izany avokoa ny mponina sy ny mpivahiny tonga. Tsiahivina fa tamin’ny taona 2002 no nahitana farany ireo mpitandro ny filaminana nasionaly ireo tonga hampandry tany ka izao indray vao niverina..  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT