Mahaiza mifidy, mandraisa lesona!

Miditra amin’ny propagandy na fampielezan-kevitry


  • Alarobia 08 Mey 2024

ny fifidianana solombavambahoaka isika manomboka anio.

Samy hanovokovoka handresy lahatra ny vahoaka, ary efa nisy aza moa ireo nangatra fiaingana, mampiasa mivantana na ankolaka fananam-panjakana sy fahefam-panjakana na volam-panjakana. Betsaka ny endrika fandikan-dalàna, eny fa hatramin’ny fihetsiky ny olona ao anatin’ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana aza ireny iaraha-mahita sy maheno ireny, fa manao kabary an-karihary ho manohana ny kandidam-panjakana. Fifidianana madio inona no ho hita amin’izany ? Fangaraharahana manao ahoana no ho antenaina ? Ny endrika ivelany izay, fa efa niaraha-nahita ihany koa ny tao anatin’ny 5 taona hoe : tena depiote niady ho an’ny tombotsoam-bahoaka sa solombavam-panjakana niaro ny tsy fahombiazana no nisy teto ? Efa ireny nandeha nialohan’ny fotoana ireny ny toromarika an-kolaka ara-politika hoe : izay tianareo na ireo mamadika ahy sy ireo mpanohitra misakana fampandrosoana na ireo mamadika ahy, na ireo miara-dia amiko. Fampandrosoana inona no tena nandeha sy tokony hipaka any am-bilan’ny Malagasy nosakanana teto. Efa ny 95% amin’ny fahefana no azo miainga any amin’ny fokontany ka hatrany amin’ny Filohan’ny Repoblika dia mbola ny mpanohitra no diso sy misakana fandrosoana ve ? Mbola handeha ny fikatsahana maro an’isa amin’ny alalan’ny fividianana vahoaka, kajikajy maloto,… Anjaran’ny rehetra no mifoha amin’ny torimaso sy maka lesona, fa raha mbola hifidy mpananga-tànana tsy handinika sy hiady tetibolam-panjakana mba tena ho an’ny tombotsoan’ny maro an’isa, hiady ny hisian’ny lalàna tena hiarovana ny tombotsoa ara-toekarena, ny fihariana, ny fampianarana, ny fahasalamana,… fa raha mbola izao no mitohy dia asa izay hiafarana eto ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT