Zava-doza no nitranga tany Ambodiakondro, fokontany Saora/Sud, Kaominina Mahabo, distrikan’i Vohipeno, faritra Vatovavy Fitofivany. Tovovavy kely iray vao 11 taona monja no maty naolana lehilahy lehibe iray efa 35 taona.
Afak’omaly talata 09 novambra no nisehoan’ity tranga mampalahelo ity. Nampandrenesina avy hatrany moa ny zandarimariam-pirenena tany an-toerana ka tonga niaraka tamin’ny mpitsabo hanamarina ny fahavoazan’ilay zaza. Nanome toromarika kosa anefa izy ny mba hamatorana ilay lehilahy mpanolana sy hametraka azy anaty trano ialana amin’ny fitsaram-bahoaka mandrapahatongan’izy ireo. Mbola nahita natao ihany anefa ilay lehilahy. Ilay tady namatoran’ny olona azy iny ihany mantsy no nanantonany ny tendany ka vatana efa tsy nisy fofon’aina intsony no novantanin’ny mpitandro ny filaminana. Maty tsy tsa-drano ity lehilahy ity araka izany raha namoy ny ainy vokatry ny ratra nahazo azy ihany koa ilay zazavavy kely tsy manan-tsiny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.