Nitrangana halatra omby narahina fakana takalon’aina nataon’ny dahalo tany Malanjaka, Mahabo, Faritra Menabe ny alarobia teo.....
Tsy afa-po nandroaka ny omby rehetra tao am-bala ireo malaso nanafika fa nitondra vehivavy roa nentin’izy ireo nitsoaka niaraka taminy ho takalon’aina. Ny nahagaga ny rehetra, rehefa dify ny tanàna notafihany ireo malaso dia navotsotr’izy ireo ny vehivavy iray efa zokinzokiny, nentiny nanaraka azy kosa ilay tanora, izay tsy mbola hita hatramin’izao, raha ny fampitam-baovao azo farany. Tsy nahitam-bokany ihany koa ny fanarahan-dia nataon’ny Fokonolona sy ny mpitandro filaminana amin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.