Actualités

Magro – Fanafarana vary Iza no hamerina ny volan’ny banky ?


  • Alakamisy 04 Martsa 2010

Na tsy dia maresaka firy intsony aza ny nangalan’ny sasany tamin’ny fomba mampiahiahy ny vary, nohafaran’ny Magro, ka natoby tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, volana vitsivitsy lasa izay, dia mipoitra tsikelikely ny voka-dratsin’izany amin’izao fotoana. Banky iray eto amintsika no mahatsiaro ho voa mafy sy mitady hiditra fatiantoka mihitsy noho iny zava-nitranga iny, inona no antony ? Araho ny fandehan’ny tantara.

33 miliara ariary

Tahaka ireo orinasa maro eto amintsika dia nifampiraharaha tamin’ny banky ka nindram-bola mba ahafahany manafatra entana avy any ivelany ka amidy eto an-toerana ny Magro, izay orinasa eo anivon’ny Tiko Group. Marihana fa ity orinasa ity no anisan’ny nifehy ny fandraharahana eo amin’ny fivarotana sy fanapariahana ny vary teto Madagasikara tao anatin’ny taona vitsivitsy ka ankoatra ny fanangonana ny vokatra eny ambanivohitra dia anisan’ny niara-niasa tamin’ny fanjakana tamin’ny alalan’ilay 3P ka nanafatra vary avy any ivelany koa ny Magro.
 
Rehefa natao ary ny fifandresen-dahatra sy ny fifampiraharahana dia nanaiky ny hampindram-bola ity orinasa ity ny banky iray, ka raikitra ny fanafarana ilay vary aman’alina taonina avy any ivelany, ary dia tonga soa aman-tsara tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina izany. Nanomboka koa anefa ny savorovoro sy ny fandrobana ka anisan’ny lasibatra tamin’izany ny Magro manerana ny Nosy, ka may kila sy potika tanteraka ary tsy afaka mihodina sy miasa amin’izao fotoana, no tsy manam-bola any amin’ny banky intsony. Nirodana ihany koa ny fitondrana Ravalomanana, ary nifandrotehan’ireo manampahefana vaovao teto amin’ny firenena ilay varin’ny Magro tao Toamasina.
 
Tsy afa-niala ilay banky fa efa nandoa ny vola saran’ny vary nohafarana. Ny zava-misy amin’izao fotoana araka ny tsiliantsofina re, dia manomboka misy akony amin’ny fandraharahan’ity banky ity ny tsy famerenana ilay vola, fantatra fa mitentina hatrany amin’ny 33 miliara ariary io vola nividianana vary io. Ny Magro noho ny zavatra nihatra taminy dia nanamafy fa tsy afaka ny hamerina io vola io, ny tranom-piantohana moa tsy miantoka ny zavatra simba noho ny fihetseham-bahoaka sy ny rotaka ; ny fitondrana tetezamita amin’izao fotoana tsy te ahalala ny fisian’izany rehetra izany na dia nisy tamin’ireo manampahefana ankehitriny aza no naka ilay varin’ny Magro tao Toamasina. Raha ny resaka mandeha ihany, dia hanilika ny rihatra rehetra any amin’ny Tiko sy Atoa Ravalomanana ireo olona naka ny varin’i Magro ireo raha hampiakatra ny raharaha eny amin’ny fitsarana ilay banky.
 
Hanakatona agence ?
Anisan’ny iharan’ny krizy ihany koa ny sehatra fampindramam-bola toy ny banky, ary vao mainka miha mafy sy mahazo faka izany raha misy fahabangana am-polony miliara ny tahirim-bolan’ilay banky ; ahiana araka izany ny hisian’ny akony ratsy amin’ny mpiasa eo anivon’ity banky iray ity raha tsy voaverina haingana ilay vola.
 
Fa raha sanatria moa tsy misy mamerina mihitsy io vola io dia voatery mandray fepetra mba tsy haha bankirompitra ity banky ity, ka mety anisan’ny zavatra hatao ohatra ny fampihenana ny fandaniana isan’andro, ny fampiatoana ny fampindramam-bola ary ny fanakatonana ny agence sasany any amin’ny faritra. Asa aloha raha misy ifandraisany amin’ity raharaha ity na ahoana, fa fantatra fa tara ny fandoavana ny karaman’ny ampahana mpiasa teo anivon’ity banky ity tamin’iny volana febroary iny ; izay zavatra tsy mbola nitranga mihitsy hatramin’izay, araka ny filazan’ny mpiasa vitsivitsy !
 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT