Actualités

Magro Behoririka Matoky ny fodian’i Dada ary miandry fandaminana


  • Talata 23 Septambra 2014

Niavaka ny hetsika tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly alatsinainy fa niverina nitombo ny isan’ny olona tonga nanatrika

Efa tena manantena fatratra ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana ny rehetra ary tamin’ny fidirana nivantana an-telefaonina nivantana avy any Afrika Atsimo omaly no nilazany fa ela loatra izay 6 taona izay ka tsy hanaiky intsony izy fa hody amin’izay ary efa mandamina ny pitsopitsony amin’izany ny any an-toerana. Hilaza ny marina aminareo ny Kestora Guy Rivo Randrianarisoa rehefa tafaverina aty an-tanindrazana, hoy izy. Ianareo aty an-toerana tokony ho tony tanteraka, hoy izy, tsy miditra anatin’ny korontana satria efa misy havanana amin’izany fambolena korontana izany. Malahelo ny mpiray tanindrazana sy ny fireneko aho, indrindra fa amin’izao mpianatra hiditra izao. Vonona hiara-kiasa amin’ny fitondrana ny tenako fa aza terena hanao zavatra hafa, hoy izy. Soa fa efa hody ny prezidà Ravalomanana, hoy i Sazalahy Tsianihy, fa izao isika mbola miera amin’ny Frantsay foana vao afaka manao zavatra nefa firenena manana ny fiandrianam-pirenena izao. Mila mivonona hatrany isika amin’izao ankatoky ny fodian’i Dada izao, hoy i Manoela fa misy mikononkonona zavatra hafa koa any. Ny hafa ary izao miombon-kevitra amin’ny firehana Ravalomanana, hoy i Mamisoa Ambatolampy Romana 12:12,  ka izay natoritory miverena an-kianja amin’izay.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

Hijery ny tohiny
FTT