Tsy niandry ela fa vao nitohy indray omaly alatsinainy, toy ny mahazatra, ny fotoam-pivoriana sy fifanentanan’ny samy mpitolona ny amin’ny famerenana an-tanindrazana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana etsy amin’ny Magro Behoririka dia tonga matanjaka ny valin-kafatra ho an’ny filoha Hery Rajaonarimampianina mikasika ny zava-boalazany tamin’ny mpanao gazety teny Ivato, teo am-pahatongavana avy any Etazonia
Tsy tsikera, hoy ny MCT teo aloha Eric, fa tsy mendrika filoham-pirenena ny teny anavona toy ireny natao teny Ivato ireny. Fandeferana no nialan-dRavalomanana teto ary nitohy hatrany ny porofo fa tia tanindrazana ny tenany fa ity : 7 na 8 volana aty aorina, sarotra ny hatoky ilay Hery Rajaonarimampianina. Efa resaka fanaon’ity filoha ity ny fampihavanana fa 7 volana aty aoriana tsy mbola misy endriny akory fa ohatran’ny propagandy atao rehefa any ivelany. Hitarika ny fampihavanam-pirenena ianao hoy ianao, mety amin’ny toeranao mihitsy izany fa ampiharo aloha ny tondrozotra, hoy i Manitra mpanentana. Nohafamafisin’i Manoela izany tamin’ny fialazana fa mety tokoa raha ianao filoha no hitarika ny fampihavanana fa aza ela satria ny saran-dalana vao miala an’Antananarivo dia miakatra. Tsy tora-po ny politika fa fanarahana lalàna dia ny tondrozotra izany, tsy nisy filoham-pirenena sy depiote raha tsy nisy ny tondrozotra, hoy Randriamamizafy Ignace. Tena resaka mafonja momba ny fihavanana no resaka tany Amerika tany ka mba te hampiseho ianao fa mandray andraikitra momba izany satria efa fanaonao litania koa, hoy i Zafilahy Stanislas.” Ho juge et partie” anefa ianao fa tokony manamora ary anisan’ny hampihavanina. Aza mbola resahana raha mbola tsy vonona fa sasa-miandry ny vahoaka, jiro mirehitra foana no nampanantenainao sy ho mora ao anatin’ny 3 volana nefa ianao no vavolombelona tamin’ny famaranana afro basket fa mbola tapaka ny jiro ary maty matetika tamin’iny herinanadro iny. Isan’andro dia voaresaka foana i Marc Ravalomanana ka vao maika hatanjakana ka mety izay no nahataitra tampoka ny filoha hitarika ny fampihavanana satria izy tsy mbola nitoko.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.