Mitohy ny hafatra ho an’ny fitondram-panjakana ankehitriny etsy amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka
Omaly talata 2 septambra dia nahitsy ny tenin’i Manitra mpitari-tolona avy eny ifotony, tamin’ny filazana fa dieny tsy mbola tonga ny haizim-pito, loza fahafito voalazan’ny Baiboly dia jereo ny vahoaka madinika Atoa filoham-pirenena. Mba henoy izahay ety an-kianja nidradradradra nandritra ny taona maro ny amoahana ireo gadra politika mbola any am-ponja, hoy i Fred Tantsaha, ny hanokafana ireo haino aman-jery nakatona tamin’ny andron’ny tetezamita ary indrindra indrindra ny fampodiana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Aza matahotra ianao fa Malagasy mitovy aminao iny. Tena mifanohitra amin’ny zavatra eritreretinareo ny zava-misy marina satria tsy hikorontana izany i Madagasikara raha tafaverina eto i Marc Ravalomanana fa hilamina ny tany ary hiroso amin’ny tena fampihavanam-pirenena isika mianakavy ary hiaraka hampandroso an’ity Gasikara mamintsika ity. Tsy azo alain-tahaka, tsy azo henjehina iny lehilahy iny fa manana traikefa manokana amin’ny fandresen-dahatra ny Iraisam-pirenena, hoy i Zafilahy Stanislas.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.