Mafy ny mahazo ireo miasa ampitain-davitra amin’izao fotoana izao, raha ny eto Madagasikara no resaka.
Ny delestazy mamely, ny saram-pifandraisana faran’izay lafo no sady mbola hiharana halatra amin’ny fomba mihaja ihany koa. Ao anatin’ny herinandro ianao no mandany 20.000 Ariary fara-fahakeliny, resaka fifandraisan-davitra na «connexion», hoy ny mpisehatra iray. Efa faran’izay mitsitsy anefa izany, hoy izy. Ny fandaniana samihafa nefa etsy ankilany. Eo ny vidin’ny herinaratra sy ny rano izay tsy maintsy aloha, eny, na dia tsy mahafa-po. Ny saram-pianaran’ny ankizy koa ity tonga taorian’ny saram-pampidirana ireo mpianatra sy ny fividianana ireo kojakoja ilaina amin’izany fidiran’ny mpianatra izany sy ny samihafa. Ny vidin’ny filàna an-davan’andro miakatra nefa ny vola miditra tsy arakarak’izay, hoy hatrany ny fitarainana voaray. Ho anay miasa amina orinasa moa dia zara raha misy raisina sisa, mba tsy ilazàna hoe tsy misy raisina intsony mihitsy rehefa tonga ny faran’ny volana satria lany hanefana trosan’olona, hoy kosa ny raim-pianakaviana iray. Etsy ankilany dia miandrandra ireo sendikalista izay milaza ny hitolona ny amin’ny mba hisian’izany atao hoe asa mendrika sy asa mahavelona eto amin’ny firenena izany amin’izao fotoana izao ireo mpiasa, hoy ny fanazavan’ny teo anivon’ny Randrana sendikaly, fa etsy ankilan’izay ihany koa dia andrasana hatramin’izao hatrany ny fepetra matotra sy maharitra nolazaina fa ho raisin’ny fitondram-panjakana manoloana ity olana goavana mihatra aman’ain’ireo olona miasa amin’ny resaka ampitain-davitra sy angovo isan-karazany ity. Aiza ihany ilay vahaolana miaro sy manaja ny mahaolona?
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.