Nampanantsoin’ny sampana misahana ny heloka bevavan’ ny zandarimariam-pirenena omaly maraina nohadihadiana momba ny fahafatesan’i Dr Daniel ny alahady 24 mey teo ny Pr Ralandison Stéphan Lehiben’ny CHU Toamasina sady Sojaben’ny Fakioliten’ny Fitsaboana any an-toerana.
Nanambara ny rahalahin’ilay dokotera maty, fa tsy maty namono tena fa nisy namono ity rahalahiny ity. Sady tsy matina coronavirus no tsy namono tena ny rahalahinay, ary efa noraisin’ny fanjakana ny fanadihadiana, ka miandry ny fahendren’ny fanjakana hamoaka ny vaovao tena marina. Tamin’ny fampandroana dia hita fa tsy namono tena, hoy ny fanazavana. Nampanantsoin’ny mpitandro filaminana ny Pr Ralandison Stéphan omaly. Natao famotorana sy fanadihadiana. Afaka nody ny tenany ny atoandro, ary mbola naverina nampanantsoina indray ny hariva ary notapahana fa hotanana vonjimaika na “garde à vue”. Nafana ny raharaha ka navotsotra sy navela nody indray izy avy eo saingy hambenana ny tranony. Tonga maro ireo mpiasan’ny fahasalamana izay maneho firaisan-kiana sy fanohanana ny lehibeny. Tsy manaiky ny mpitsabo rehetra ary mety tsy handray ny asany anio ho mariky ny fiaraha-mientana. Anio amin’ny 7ora maraina no hiakatra fampanoavana ity raharaha ity. Nisy ny fanambarana omaly hariva, fa miray fo ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra, ny mpianatra ao amin’ny sampana fahasalamana rehetra, miantso ny rehetra hanotrona ny fitsarana hanao fanamiana miloko fotsy. Fanotronana no atao fa ny ady amin’ny covid-19 mitohy, hoy raha ny fanambarana.Nisy loharanom-baovao iray nanambara koa anefa halina fa efa vita tanteraka ny fanadihadiana ary tsy hiakatra fampanoavana indray ny Pr Ralandison.Ho hita eo izay ho fitrangany anio.
Nanambara ny avy ao amin’ny holafitry ny mpitsabo omaly fa manaraka akaiky ity raharaha ity, ary miandry izay hambaran’ny fanadihadiana rehetra vao hanao fanambarana ofisialy
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.