MAEVATANANA

Tsy mahazo mivoaka alina intsony ny zaza tsy ampy taona


  • Talata 19 Novambra 2024

Raha kilalaon’ireo zaza tsy ampy taona ny fivoahana amin’ny alina teo aloha tao an-tampon-tananan’i Maevatanana

dia mifanohitra amin’izay ny zavatra hitranga manomboka izao. Tsy mahazo mivoaka alina intsony mantsy ny zaza tsy ampy taona rehetra, indrindra fa ny fandehanana any amin’ny salle des jeux sy ny toeram-pisotroana. Nisy ny fiantsoan’ny tompon’andraikitra azy ireo mba samy hanavao ny taratasy hahafahany miasa ny faran’ny herinandro teo ka tafiditra ao anatin’ny fepetra takiana ny tsy fahafahany mandray zaza tsy ampy taona intsony. Tsy maintsy mihidy amin’ny 09 ora alina daholo ihany koa izy ireo isan’andro hisorohana ny olana mety hitranga. Raha tsiahivina mantsy dia lasa mampanaotao foana ireo zaza tsy ampy taona ao Maevatanana tato ho ato ny fisian’ireny salle des jeux ireny sy ireo toeram-pisotroana any an-toerana antony mahatonga ny sasany hangalatra sy hanabotry ny Ray aman-dReniny, miady mifamono amin’ny namany….
Pati
Legende : Misy mahavita mangalatra mihitsy ny ankizy mba handehanana any amin’ny salle des jeux !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT