Actualités

Madajazzcar andiany faha-25 Mpanakanto Malagasy manodidina ny 100 no handray anjara aminy


  • Talata 23 Septambra 2014

Hotanterahina eto amintsika ny 01 ka hatramin’ny 11 Oktobra ho avy izao indray ilay hetsika Madajazzcar andiany faha-25. Natao indrindra hanomezan-danja ireo mpanakanto miangaly ny jadona jazz izy io na ho an’ireo teratany vahiny izany na ho antsika eto Madagasikara

. Ho an’iretsy voalohany manokana dia manodidina ny 10 izy ireo no ho avy eto amintsika ahitana an’i John Minor, ilay mpanakanto vehivavy Amerikanina fanta-daza amin’ny hira mirona amin’ny gadona Jazz, ry François Jeannot avy atsy La Frantsa … Tsy latsa-danja amin’ireo isika eto Madagasikara izay ahitana ny fandraisan’anjaran’i Jeannot sy ny  vady aman-janany,  ry Fanja Andriamanantena… Eo amin’ny lapan’ny tanàna no hanaovana ny fanokafana ny fiandohan’ny volana oktobra. Horavahan’ireo mpitendry jazz marobe amin’ny fomba fitendriny izany raha hisy ihany koa ny fanaovana fampisehoana ao Antsahamanitra. Anisan’ny ho hita taratra amin’ity farany indray ry Solo Miral…Tanjona araka ny fanazavan’ny mpikarakara ny hisian’ny fifanakalozana traikefa eo amin’ireo mpanakanto Malagasy sy vahiny mba hahafahana manatsara hatrany ny traikefa efa ananan’izy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

Hijery ny tohiny
FTT