Nahatratra 965 isa ireo zaza voaolana teto Madagasikara tamin’ity taona 2020 ity raha araka ny tatitry ny UNICEF nalaina avy amin’ireo fitarainana voaray tany amin’ireo fikambanana.
Ankoatra ny zazavavy kely dia lasibatra ihany koa ny zazalahy kely ka ny teto Antananarivo no betsaka voa indrindra. Ny 78 %-n’izany tranga izany mantsy no niseho teto afovoan-tany ka misy ireo havany akaikiny toy ny dadatoany, ny dadabeny, ny anadahin-dReniny…. Ihany no nanao izany. Nisy ihany koa ireo ankizy maty toy ilay vao nitranga tany Mahabo Vohipeno. Miisa 50 kosa ireo lasibatra tany Mahajanga, 79 tany Toamasina, 52 tany Nosy be, 37 tany Toliara ary 20 tany Tolagnaro. Manao antso avo hatrany ny tokony hiantsoana ny laharana maitso 147 moa ny UNICEF raha mahita trangana herisetra na fanolanana miseho eny anivon’ny fiaraha-monina ny rehetra mba hahafahana mitoroka avy hatrany ilay mpanao ratsy.Ny taona 2015 no tena nanomboka nitombo be ny isan’ny trangana fanolanana teto Madagasikara rah any tarehimarika no jerena.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.