Tafiditra ho mpikambana ao anatin’ny Filankevitra mpanatanteraka na ny “Conséil executive” eo anivon’ny Rafitra iraisam-pirenena momba ny fahasalamana na ny OMS I Madagasikara mandritra ny 3 taona (2020-2023)
araka ny fifidianana nandritra ny Fivoriambe maneran-tany momba ny fahasalamana na ny AMS natao tamin’ny alalan’ny “visionconférances” ny talata teo. Ny Minisitry ny fahasalamana Ahmad Ahmad no voafidy hisolo tena ny firenena Malagasy ao anatin’io. Firenena Afrikanina 3 no miaraka amin’I Madagasikara ao anatin’io dia I Ghana, Botswana, Guinée Bissau, raha toa ka efa ao kosa I Burkina Faso, Gabon, ary Kenya. Tafiditra ao anatin’io Filankevitra io ihany koa ny Minisitra Indianina misahana ny fahasalamana Dr Harsh Vardhan, izay voafidy ho filoha. Miisa 34 ny mandrafitra io filankevitra io, izay olona manam-pahaizana momba ny fahasalamana amin’ny ankampobeny, ka 3 taona ny fe-potoana hiasan’ireo solontenan’ny firenena voafidy ho ao anatiny. Mampihantra ny fanapahan-kevitra sy ny toromarika avy amin’ny Fivoriambe ara-pahasalamana na ny AMS sy manamora ny fanatanterahana ny asa no isan’ny andraikitra goavana sahaniny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.