Madagasikara

Tsy manana mpiara-miombon’antoka tena matanjaka


  • Alatsinainy 10 Febroary 2025

Manampy trotraka ny krizy ara-politika tsy mety miravona eto Madagasikara ny tsy fananana

mpiara-miombon’antoka tena matanjaka. Mihasarotra ny toe-draharaha ara-toekarena sy ara-tsosialy eto indrindra eo anatrehan’ny fahatapahan’ireo fandaharan’asa iraisam-pirenena mitondra tohana manan-danja amin’ny lafiny maha olona, ara-pahasalamana, fanjarian-tsakafo,… Tsy tena manana drafitra hiatrehana an’ireo ny Fitondrana Malagasy, fa miandry izay ho vokany fotsiny. Maneho ny zava-misy fa Firenena mpianki-doa aloha i Madagasikara hatreto, na dia manana ireo otrik’arena lehibe azo havadika ho fanohitra handresena ny fahantrana, saingy mbola tsy tonga amin’izany fa olom-bitsy no migalabona sy mitavana ny harem-pirenena. Mihevaheva tsy ambony tsy ambany eo, ary vao mainka miha milentika aza. Tetezina izao vazan-tany rehetra izao, ary tompondaka ny Fitondrana Rajoelina amin’ny fivoahana any ivelany, saingy tsy tena mivadika ho hery ho an’ny Firenena. Tsy tara mihitsy amina fihaonana sy fivoriana iraisam-pirenena, mibata anarana tompondaka (Tompondakan’ny Fanjarian-tsakafo, tompondakan’ny indostria) kanefa ny Firenena miha milentika. Nandeha tany amin’ny Arabo, izay nolazaina fa hamatsy vola ny Tanamasoandro, hamatsy vola ny orinasa fanadiovana volamena, hanao tetikasa goavana momba ny angovo,… saingy tsy hita izay teo, ary ny sidina mivantana izay napetraka aza tsy tena tena hita izay tombotsoan’i Madagasikara. Nitady làlana tamin’ny sinoa, notanisaina ny traikefa sy tetikasan’ny sinoa momba ny angovo sy herinaratra, nolazaina fa hanampy an’i Madagasikara io Firenena io amin’izay lafiny izay fa inona no teo ? Marina fa miara-miasa amin’ny resaka fambolena vary safiotra fa moa tena io ve no ilain’ny tantsaha Malagasy hahafahana hanatrararana ny fahaleovantena ara-tsakafo ? Tena hanampy sy hitondra voka-tsoa ho an’ny Firenena sa bizina avo lenta ? Rehefa nangatsiatsiaka na mitarazoka ny tohana avy amin’ireo mpamatsy vola mahazatra izay nolazaina 6 taona lasa izay fa tsy hampandroso na amin’ny 2060 aza, dia mandeha ny pimaso amin’ny Rosianina, ny fanambarana hafahafa niraisana,… fa mivadika ho ainga ara-bola sy ara-toekaren’ny Firenena ve ? Tsy mandehandeha ho azy ireo, ary mifanamatotra foana amin’ny diplaomasia, manamafy ny fisiana olona tena mafy sy to teny ary maharesy lahatra ny mpiara-miombon’antoka na ara-panjakana io na tsy miankina, saingy tsy tena manana olona mahavita « lobbying » ny Fanjakana Rajoelina, hany ka tsy misy vokatra tena mahomby sy misongadina fa fiarahana maka sary no betsaka. Ny sary mitranga dia sady tsy tena atokisan’ny atsy no tsy tena maharesy lahatra ny aroa, ka tsy misy zavatra goavana tena mahomby.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT