Actualités

Madagasikara Tsy hisy zava-banona anaty fisaraham-bazana


  • Zoma 15 Mey 2020

Malaza ny fanetsehana ny hambo-po Malagasy sy Afrikanina hanova ny tantara eto amin’izao tontolo izao izay zava-dehibe tokoa.

 Mila mijery izay tena iombonana anefa io miantomboka amintsika Malagasy. Rehefa miray hina ihany mantsy vao afaka mibanjina tanjona iombonana sy miasa manatanteraka izany. Efa nisy ohatra velona nentin’ny Barea aloha fa inona ihany koa ny ankoatr'izay? Tsapa fa fiarahamonina samy maka ho azy mantsy no misy hatreto aloha, ka na fiandrianam-pirenena¬ aza mbola mampiady hevitra. Ny covid-19 mbola misy milaza hoe tsy misy, ny tambavy vita Malagasy lasa mampisara-bazana ny Malagasy. Ny azo antoka aloha dia mila manana haitarika na “leadership” mafy be ny mpitondra izay vao miroso amina zavatra hafa. Ny fanontaniana tsy maintsy valiana alohan'io dia ny hoe: inona avy ireo zavatra marary ny Malagasy amin’ny fiainany. Ireo no tsy maintsy ahitam-bahaolana aloha, vao afaka miroso amina tanjona lavitr’ezaka kokoa. Olona misy tebitebin-tsaina isan'andro tsy afaka hirotsaka hiasa amin’ny tombotsoa iombonana hampandrosoana ny firenena. Mbola lalina ny hantsana eo amin’ny entina sy ny mpitondraa, ary samy manana ny laharam-pahamehana ho azy. Ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny tetibolam-panjakana, ohatra, dia 6/100 ny naoty azon’I Madagasikara ny taona 2019, izany hoe tsy mahalala izay lohany sy vodiny amin’ny ambara fa fampandrosoana handaniana volam-panjakana ny olom-pirenena. Mila miainga avy any ifotony ny hetaheta sy ny tetikasa, fa ny hita eto dia hoe izay metimety amin’ny mpitondra:hanao building izahay, hanao tanàna goavana, ozinina goavana indrindra aty Afrika,… Tsara ireny, saingy ny 80% amin’ny Malagasy dia tantsaha mandry tsy lavoloha amin’ny tsy fandriampahalemana, ny fiompiana sy ny fambolena no hivelomany tsy misy tan-tsoroka, ny vahoaka tsy an’asa ary amin’ny sehatra tsy ara-dalàna ny 75%. Ny ampahany betsaka amin’ny Malagasy no tantsaha, kanefa mbola tsy mahavita tena ara-tsakafo I Madagasikara. Mila fandinihana!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT