Omaly alarobia 01 oktobra 2020 Atoa Benny Yan Pieter Siahaan no nanolotra ny taratasy fankatoavana azy ho mpiraki-draharaha solontenan’ny Masoivoho Indonezianina hiasa sy honina eto amintsika tamin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy Atoa Tehindrazanarivelo Djacoba A.S Oliva.
Efa tamin’ny taonjato fahafito no nanombohan’ ny fiaraha-miasan’i Madagasikara tamin’io Firenena io. Manana fifandraisana ara-tantara amin’ny Malagasy ihany koa satria voalaza ara-tantara fa manana razambe sy fihaviana Indonezianina ny Malagasy, ary tafiditra any amin’ny taranja tantara ampianarina any amin’ny ambaratonga fototra izany. Ny taona 2008, dia nisy ny fangananana vaomiera iraisana nanomboka mba hametrahana ny politikam-pampandrosoana mahomby noho ny fifandraisana ara-tantara eo amin’ny roa tonta. Fanavaozana ny endrim-pitantanana ara-teknika, fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsôsialy, ary fifanakalozana bebe kokoa eo amin’ny sehatra ara-kolontsaina ; ireo no nifantohan’ny lahadiniky ny Minisitry ny raharaham-bahiny sy ity diplaomaty ity nandritra izao fihaonan’izy omaly.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.