Noraisin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny masoivoho vaovan’i Egypte eto amintsika, Rabab Said Abdou Abdelhadi omaly 15 martsa 2023.
Nivoatra hatrany ny fifandraisana teo amin’ny firenentsika roa tonta ary hita teto ny fahavononana hanamafy izany eo amin’ireo sehatra maro toa ny fahasalamana, ny fambolena sy ny fiompiana ary ny fotodrafitrasa, hoy ny seraseran’ny Fanjakana. Nambara fa ohatra lehibe amin’izany fifampitokisana izany ny isahanan’ny orinasa Ejipsianina Samcrete ny fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an'i Toamasina sy Antananarivo izay efa manomboka ankehitriny. Betsaka anefa ny zavatra toa mbola manjavozavo amin’io resaka Samcrete sy ny Fanjakana io ka dia ho hita eo hoe : tena ho araka ny fanamby nolazaina hahavitana 80km hatramin’ny faran’ny taona 2023 tokoa ve ? Mbola baraingo hafa ny fanohizana azy ho tonga 265 hatrany Toamasina. Momba ny fiaraha-miasa, nambaran’ny masoivoho Ejiptianina fa vonona ny sehatra tsy miankina ao Egypte sy ireo mpampiasa vola hampiroborobo sy hijery miaraka ireo lalam-piaraha-miasa amin’i Madagasikara. Fomba firesaka ara-diplaomatika ireny fa moa tena liana amin’ny fampiasam-bola eto ve ny vahiny eo anatrehan’ny tsy fahavitan’ny Fitondrana mametraka tontolo ara-pandraharahana tony sy milamina ? Ny filaminana ara-politika ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.