Actualités

Madagasikara Solika mitapoka no mitobaka eto


  • Alatsinainy 18 Aogositra 2014

Tsy takatry ny fahefa-mividy eto Madagasikara ny kalitaon’ny solika tena tsara izay sandaina 4.500 Ariary ny litatra

Azo sokajiana ho solika sady tsy ambony no tsy ambany ny vokatra amidy eto amintsika, raha ny fanazavana nomen’ny «Office malgache des hydrocarbures» mikasika ny tsy filaminana teo amin’ny famatsiana ara-tsolika fotoana vitsivitsy lasa izay. Efa karazan-tsolika hafa rahateo no jifain’ny mpampiasa fiarakodia eto amin’ny firenena malagasy ankehitriny saingy mitovy tsy misy valaka amin’ny kalitaon’ilay karazan-tsolika efa nampiasaina teo aloha ihany izany. Vahaolana hafa naroson’ny orinasa mpaninjara solika herinandro vitsivitsy lasa izay ny nanolotra vokatra vaovao amin’ny alalan’ny fanapohana singa ambara fa mitsitsy, mitaiza motera ary mampatanjaka ny fiarakodia. Efa miparitaka manerana ny firenena miisa 16 moa ity vokatra vaovao ity. Tsy ho ela dia hitombo iray ity karazana solika mitapoka ho fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra fampiasan’ny mpanjifa solika eto Madagasikara ity satria dia tapa-kevitra ny hanara-dia ity fanavaozam-bokatra ity ihany koa ny orinasa mpaninjara solika iray miasa eto amintsika. Ankoatra ireo tombontsoa efa voatanisa dia tsy hampiova ny vidin-tsolika ny fanatsarana ny kalitao, araka ny fampanantenan’ireto mpandraharaha amin’ny famokarana solika eto an-tanàna ireto. Fanontaniana ilana valiny kosa angamba ny hoe : mifanaraka amin’ny karazana fiara efa niasa izay betsaka eto an-toerana ve ity solika mitapoka ity ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT