Actualités

Madagasikara Olona 1 amin’ny 4 no tsy ampy sakafo


  • Alakamisy 18 Septambra 2014

Olona 1 amin’ny 9 na mponina 805 tapitrisa manerantany no miaina amin’ny tsy fahampian-tsakafo, araka ny tatitra iombonana navoakan’ny Sampanasan’ny Firenena mikambana misahana ny sakafo, ny fambolena sy ny fiompiana, ny Tahiry iraisam-pirenena momba ny fampandrosoana ara-pambolena sy ny fiompiana ary ny Fandaharanasa momba ny sakafo manerantany ny 16 septambra 2014 teo.

 Nihena hatrany amin’ny 100 mahery ny isan’ny ireo olona noana tao anatin’ny 10 taona izay midika fa mizotra miadana mankany amin’ny fahatrarana ny Tanjon’ny fampandrosoana taona arivo fahatelo iray amin’ireo 8 miresaka ny fampihenana hatrany amin’ny antsasany ireo olona manana olana ara-tsakafo hatramin’ny taona 2015 ny dingana raha mitombo ireo ezaka tanterahana. Firenena 63 an-dalam-pandrosoana no efa nahatratra ny tanjona raha 6 kosa no antenaina hahatratra izany amin’ny taona 2015. Olona iray amin’ny 4 no voalaza fa tsy ampy sakafo aty Afrika tapany atsimo izay ahitana ny firenena Malagasy. Ilaina ny fiaraha-miasan’ny governemanta amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fiarahamonim-pirenena toy ny fandrafetana fandaharanasa manokana momba ny sakafo ho an’ny reny sy ny zaza latsaky ny 5 taona iadiana amin’ny tsy fahampiana sy ny sakafo tapa-kibo, hoy ny lehiben’ireo sampanasa miandraikitra ny fanampiana ireo. Hisy rahateo ny fivoriana in-droa miantoana ny volana oktobra sy novambra any Roma handinihana sy ny hamoahana ny fahavononana ara-politikan’ireo governamanta isanisany hanatsarana ny tontolo ara-tsakafo. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT