Actualités

Madagasikara Nihovitra ny tany


  • Alakamisy 14 Mey 2020

Tsy honohono fa tena nihetsika ny tany omaly 13 mey 2020 tamin'ny 10 ora sy 2 minitra alina teto Madagasikara, nahare azy tsara ny mponina teto Antananarivo sy ny manodidina.4,8 amin'ny maridrefin'i Richter ny tanjany,

 

 

ary naharitra 20 segondra teo ho eo ilay izy.Tany amin'ny 35 km atsinanan'ny distrikan'i Fandriana no voatondro fa nisy ny foibeny, ka 15km tany ambanin'ny tany no nisy ilay fihetsehana.Azo ambara fa nanaitra ny maro ihany izy ity satria ireo trano somary avo dia nihozongozona tahaka ireny finday mihovitra ireny.Nihetsika avokoa ny entana tao an-trano.Ireo izay natory dia nisy nitsamboatra mihitsy.Tsiahivina ihany fa 5,1 tamin'ny maridrefy Richter no herin'ny horohoron-tany re farany teto Madagasikara ny taona 2019.Efa misy vanim-potoana fihetsehany ny tany ho an'ny siantifika, misy kosa ireo olona mihevitra fa fambara zavatra ny horohoron-tany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT