Isan'ny mbola manako eny anivon'ireo matoam-baovao anatin'ny firenena malagasy sy ny
iraisampirenena mihitsy amin'izao fotoana izao ny fandraisan'i Madagasikara ny fihaonan'ireo filoham-pirenena mikambana anatin'ny COI na Kaomisionin'ny ranomasimbe indianina, izao nialohavan'ny fitsidihana ara-panjakana nataon'ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron, ny 23 aprily teo. Mandeha ankehitriny ny famakafakana samihafa mikasika ny hoe inona marina moa izany no tombontsoa azon'i Madagasikara tao anatin'izay fandraisana vahiny izay? Nialohan'ny fotoana rehetra dia efa matoam-baovaon'ireo haino aman-jery frantsay fa manafina ny fahantrana i Madagasikara, indrindra, Antananarivo, raha nandray ireny fihaonana ireny. Sahin'ny filoham-pirenena frantsay avy eo ny nilaza fa tsy maika ho an'i Madagasikara ny miady hevitra momba ny fiandrianam-pireneny na izany nosy manodidina izany satria ny fahantran'ny 80%n'ny mponina ao aminy aloha no tokony jereny izay hamahany azy. Tsy noho izany fahantrana izany indrindra ve no tokony hakan'ny firenena malagasy ny nosy manodidina mba hahafahany manarina haingana ny toekareny amin'ny alalan'ireo harena voajanahary ao ka hiteraka asa ivoaran'ny fiainan'ny mponina, indrindra ireo lazaina mahantra ireo? Mbola sahiny koa ny nametraka ny daty sy toerana hifampidihina momba izany efa tokony ho fananan'ny firenena malagasy, araka ny voalazan'ny fanapahana tao amin'ny firenena mikambana na ONU izany hoe aleo any aminay any Frantsa amin'ny 30 jona! Tsy maintsy andro 1 nialohan'ny nandraisana ny COI ve no nanao fitsidihana ara-panjakana teto ny filoha frantsay mba hitondra ny diplaomasia malagasy any amin'ny fanamaivanana ireo filoham-pirenena hafa? Hita ho takona tanteraka hatramin'ny farany ireo mpitondra fanjakana miisa 4 ankoatran'ny an'ny frantsay. Tsy hiteraka fifanolanana ara-diplaomatika na hoe "incident diplomatique" ve ireny ho an'ireo firenena namaivanina? Anatina fotoana toy ireny ve no tokony hanatanterahana fifandraisana mahakasika firenena 2 monja na hoe "bilatérale" raha toa ka tokony mahakasika firenena maro na "multilatérale". Nanao ny nataony koa moa avy eo ny firenena maorisianina rehefa namerina iny volamena iny. Fehiny, dia heverina fa nalain'ireo firenen-kafa baraka an-kolaka ny firenena malagasy tao anatin'izay fotoana fohy izay. Fanontaniana mipetraka ny hoe hanana diplaomasia hanarenana izany ve isika sa tsia?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.