Hoy i Rinah Rakotomanga tao amin’ny pejiny omaly : « mba iriko isika Malagasy mba hahay ifampihaino, isika Malagasy mba handeha ampahamarinana sy ampahatsorana, mba hifampahatoky ary hifanaja anaty soatoavina hananantsika, isika Malagasy mba hahay hifampiaro fa tsy ilay hoe isika Malagasy mody mihavana, na mifanenjika sy mifanambany ary mifampialona, isika Malagasy tia mankahala ny antsika fa mankafy sy manandratra ny hafa, isika Malagasy mifampihatsaravelatsihy… ». Tsy hoe olona iza fa anisan’ny zanaka an-tranon’izao fitondrana izao no miteny, tsy hoe diso ihany koa ny nolazainy fa zavamisy. Ny tiana ihaviana fotsiny dia hoe raha mba manana io fomba fijery sy toe-tsain’i Rinah Rakotomanga io ny mpitondra fanjakana dia hainy ny mandamina ny firenena sy manafaingana ny asa fampandrosoana tena izy.
MAMPIADY FIARAHAMONINA
Saingy ny zava-misy dia izay miteny sy manana hevitra hafa,manakiana, dia lazaina fa manohintohina ny filaminana anatiny na mikasa hanongam-panjakana tsotra izao. Rehefa henoina sy jerena anefa ny firesaky ny olona sasany milaza fa mpanohana ny fitondrana tena teny ratsy sisa tsy ataon-dry zareo fa voazimbazimba tsy misy fameriny mihitsy ireo mpanohitra. Impiry no niresahana fa ilaina ny fanaovanany fampihavanam-pirenena tena izy, saingy fametrahana fomba fiasa sy fanao toa vao miha mampitombo ny fifankahalana sy fanavakavahana indray no misy. Azo raisina ohatra ilay fizarana fanampiana nanomboka tamin’ny valanaretina Covid 19 ireny.Tena hita fa samy sahirana fa nomena tombony ny olona mpikambana ao ami’ny antokon’ny fitondrana ; tamin’ny fifidianana farany teo indray dia hoe mila mitondra karatra maha mpiambana TGV rehefa hilahatra haka ilay jiro.Niteraka adin’ny samy vahoaka tany anaty firahamonina ireny ary lasa mampisy ratra anaty dia mifamoaka vava hoe fa angahaianareo haharitra eo mandrakizay.
MILA MIFANOME TANANA
Ireo firenen-dehibe tandrefana, na ry zareo tatsinanana tahaka ny Japoney, Sinoa, Indiana, Vietnamiana, ireo firenena arabo, ny firenena afrikana efa maromaro ihany..matoa nivoatra dia nahay nanambatra ny heriny. Na eo aza ny tsy fitovian-kevitra ara-politika, ara-pinoana, ara-pihaviana dia nahay nametraka tanjona iombonana izy ireo , nahay niresaka sy nifamela raha nisy ny zavatra tsy nety nifanaovana dia nifanome tanana niasa. Izay no nampandroso azy. Fa eto Madagaskara matoa mahazo vahana ny olona hafa firenena, tsy mahay mifanaraka sy mifandamina izany ny samy Malagasy ary lasa resadresaka fotsiny ny hoe fihavanana fa ny fampiharana tsy misy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.