Actualités

Madagasikara, Frantsa, Ranomasimbe Indianina Hamafisina ny fiaraha-miasa ara-tsiansa


  • Alakamisy 23 Martsa 2023

Misy ny atrik’asa karakarain’ny Académie des Sciences d’Outre-mer, izay tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-100 taonany,

nosokafana omaly tetsy amin’ny Akademia Malagasy etsy Tsimbazaza. Atrik’asa iarahan’ny akademiam-pirenena eto Madagasikara, La Réunion, ary ny Outre-mer. Nosafidiana manokana ny lohahevitra hoe : "Madagascar, la France et l'Océan indien". Tanjona imasoan’ireo akademia moa ny Fikarohana sy ny ahafahana manaparitaka ny vokatra hositrahan’ny vahoaka. Isan’ny nitarika izany ny Masoivoho Frantsay izay namelabelatra ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara sy ireo Nosy aty amin’ny Ranomasimbe Indianina, ka naneho fa tao ny fiaraha-miasa nahomby teo amin’izy ireo sy ny Akademia Malagasy tao anatin’ny 120 nijoroan’ny akademiantsika, fa misy ihany koa ny tsy nahomby izay tsy ho sakana sy hohatsaraina. Isan’ny voaresaka ny fitandroana ny filaminana sy fandriampahalemana aty amin’ny fari-dranomasina Indianina izay idiran’ny Frantsay an-tsehatra. Nambaran’i Arnaud Guillois fa ao anatin’ny fanajana ny fiandrianan’ny andaniny sy ny ankilany ny fiaraha-miasa. Milaza ny hijery manokana ny fitandroana ny valanjavaboahary, hiara-hiasa amin’ny resaka fambolena i Lafrantsa eo anatrehan’ny tahan’ny fahantrana 81,9% eto amintsika. Ankoatra ireo tompon’andraikitra ara-panjakana sy olo-manan-kaja samihafa, dia isan’ireo voaasa nanatrika ity fotoana omaly ity ireo Filoham-pirenena teo aloha mirahalahy dia Atoa isany Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT