Mbola nanamafy omaly maraina ny praiminisitra Kolo Roger fa tena vonona hampiasa vola be eto Madagasikara ny Sinoa. Raha ny filazany dia afaka mangataka bolongam-bola hatrany amin’ny 100 miliara dolara amin’ny Sinoa isika. I Zimbaboe izay tsy dia manana harena aza sahy nangataka 34 miliara dolara, hoy ny praiminisitra mainka fa isika izay tena manankarena be ity
Harena ankibon’ny tany no takalony ?
Tsotsotra ilay fanambarana, ka mety tsy dia nanaitra firy ny rehetra. Rehefa tena halalinina anefa izy io dia zava-doza be ho an’ny firenena. Fantatra tsara fa olona faran’izay fetsy sy tia tena ny Sinoa, hita amin’ny fomba fanaony eto amintsika efa an-taonany maro izany. Tsy adala izy hanaiky hanome vola amina miliara dolara raha tsy misy takalony goavambe izany. Ka inona ary no mety ho takalon’io 100 miliara dolara io ? Mety efa mazava ihany ny valiny fa dia ny harena ankibon’ny tany mafonja dia mafonja misy eto Madagasikara. Eo amin’ny resaka solika fotsiny mantsy dia efa nambaran’ny manampahaizana vahiny fa manana tahiry hatrany amin’ny 13 miliara barila i Madagasikara, ampy ampiasain’izao tontolo izao mandritra ny 100 taona izany. Ny vy ao Soalala dia efa mahadodona ny Sinoa, manomboka mitrandraka volamena eto ihany koa izy ireo, mbola eo ny safira, ny beryl izay samy vato lafo vidy, ny uranium. Ary efa fantatry ny rehetra fa any Chine no miondrana ny 90%-n’ny boaderozy avy eto Madagasikara nanomboka tamin’ny 2009.
Ny tombontsoany ihany no fantany
Misy antony tena goavana matoa nijanona 9 andro be izao tany Chine ny praiminisitra, ary mbola ho avy any ihany koa ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Tsy tongatonga ho azy ilay fihaonan’ny masoivoho Sinoa sy ny minisitra misahana ny harena stratejika, iray volana lasa izay. Mahafantatra tsara ny mpitondra ankehiriny fa ho sarotra ny fahazoana vola avy any amin’ireo mpamatsy vola mahazatra tahaka ny banky iraisam-pirenena sy ny vondrona eoropeanina, ka izay no mahatonga azy ireo mitady loharanom-bola hafa, ka hatreto aloha dia any Chine izany no nandrin’ny fon’ireto mpitondra antsika ireto. Tsara homarihana fa manodidina ny 3.000 miliara dolara ny tahirina vola vahiny ao amin’ny Banky foiben-dry zareo Sinoa amin’izao fotoana, tena manam-bola ny Sinoa ary tsy misy dikany aminy ny mividy an’i Madagasikara ambongadiny raha toa ka tsy mailo ny mpitondra antsika fa maika fotsiny hahazo famatsiam-bola. Tsy te hahalala ny resaka demokrasia sy fanajana ny zon’olombelona, fiarovana ny tontolo iainana izany ny Sinoa fa rehefa ahitany afera sy hahazoany tombontsoa dia idirany avokoa. Mampatahotra izao fihetsiky ny fitondrana Rajaonarimampianina izao fa tahaka ny efa fambara fa atsy ho atsy dia hamidy ambongadiny amin’ny Sinoa i Madagasikara !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.