Na dia ho voafetra hiampy 2˚C aza ny hafanana maneran-tany manomboka eto ka hatramin’ny taona 2100 dia ahiana ho lany tamingana ny 25%n’ireo harena voajanahary eto Madagasikara, raha ny tatitra nataon’ny rafitra iraisampirenena momba ny tontolo iainana na WWF.
Ao anatin’izany ireo karazam-biby mivelona any anaty ala fa eo ihany koa anefa ireo karazan-java-maniry izay mampiavaka ity nosy ity. Tsiahivina hatrany fa ny 5%n’ireo zava-manan’aina misy eto ambonin’ny tany dia hita eto Madagasikara ary saika tsy misy afa-tsy eto Madagasikara, hoy hatrany ny fanazavana. Ilaina hamafisina, noho izany, ny fanentanana sy ny fepetra raisina mba hiarovana ny tontolo iainana sy hampihena be dia be ny fandoroana tanety sy ala.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.