Actualités

Madagasikara 5 volana katroka izao no nikatonan’ny sisintany


  • Alarobia 19 Aogositra 2020

Ny 19 martsa 2020 misasak’alina no nikatona ny sisintanin’i Madagasikara araka ny fanapa-kevitry ny fanjakana dimy andro talohan’io.

 

 Niato nanomboka teo ny sidina anabakabaka rehetra miditra sy mivoaka ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, toy izany koa ny fifamoivoizana an-dranomasina mampifandray amin’ny any ivelany indrindra ireo mpitatitra olona manao fizahantany. Dimy volana aty aoriana, sidina manokana fampodiana teratany vahiny sy teratany malagasy no misy, ankoatra ireo sidina mitondra fitaovana hiadiana amin’ny fihanaky ny valanaretina coronavirus. Nitsahatra koa ny sidina anatiny. Tsy mbola misy vianavina programa sidina hatreto, na sidina anatiny na sidina ivelany amin’ireo kaompania samihafa mampifandray amin’i Madagasikara. Ny hany fantatra dia mikatona hatramin’ny 31 aogositra ny sisintany maorisiana, aorian’io vao mety hiverina ny sidin’ny Air Madagascar miazo an’ity nosy rahavavy ity, araka ny fampahafantarana farany nataon’ny kaompania tamin’ny 1 jolay. Amin’ny fiandohan’ny volana oktobra 2020 any no voalaza fa hisokatra ny fizahantany ao Nosy-Be, ka afaka indray handray ireo sidina iraisam-pirenena mitondra mpizahatany vahiny.

 Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT