Niverina ofisialy ny fitrandrahana,
afaka hamatsy feno ny Jirama afaka 2 taona
Niverina ofisialy nanomboka omaly ny 05 martsa 2026 ny famokarana solitany mavesatra na « fuel lourd » ataon’ny Madagascar Oil, araka ny fanambarana ofisialy mifandraika amin’ny fahatongavan’i Yanto Sianipar Administrateur Général vaovao. Ity manam-pahaizana manokana momba ny haifitrandrahana ity dia manana traikefa mihoatra ny 30 taona amin’ny fitrandrahana solika mavesatra mampiasa ny hairaha fampidirana entona any ambanin’ny tany na « injection à vapeur », traikefa norantovina tany Indonezia tao amin’ny Chevron. Araka ny fanazavan’i Yanto Sianipar, manana ekipa feno sy loharanon-karena ara-bola ny orinasa ka afaka miroso amin’ny fitrandrahana amin’ny fomba maharitra sy mahomby, ary marin-toerana. Nambarany fa ny fiverenana amin’ny famokarana dia heverina ho zava-dehibe amin’ny toekarena satria manamafy ny fahaleovan-tena ara-angovo sy mampihena ny fiankinana amin’ny fanafarana avy any ivelany. Nomarihina fa ny fiatoana teo aloha dia vokatry ny fiovaovana be teo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy ny fiantraikan’ny valanaretina COVID-19 izay nandona mafy ny indostrian’ny solitany sy entona fandrehitra maneran-tany. Ankehitriny kosa, ny fiverenana amin’ny famokarana dia tanterahina ao anatin’ny fandaminana mafy orina sy amin’ny fahamalinana, ka ny laharam-pahamehana dia ny fanaovana an’i Tsimiroro ho fitrandrahana mari-toerana sy mitohy amin’ny lavitr’ezaka. Manana tahirina solika mavesatra hatrany amin’ny 1,7 miliara barila moa i Tsimiroro.
AFAKA HAMATSY NY JIRAMA AFAKA 2 TAONA EO
Ny vokatra amin’izao fiandohana izao dia eo amin’ny 300 barila isan’andro avy amin’ireo vovo na « puits » miisa 25, ary vinavinaina fa afaka 2 taona dia hiakatra vovo 150 isa, hahatratra 3000 barila isan’andro. Tsiahivina fa ny 2015 no nahazo ny "titre minier" fitrandrahana solitany voalohany teto Madagasikara ity orinasa ity, namatsy ny tsena ny 2022, ka betsaka ireo mpanjifa eto Antananarivo sy Antsirabe no efa mahazo tombony amin’ny solitany mavesatra vokarina eto an-toerana izay voasokajy ho tena tsara kalitao. Tanjona lehibe ny hahafahan’ny Madagascar Oil mamatsy ny Jirama izay manana filàna eo amin’ny 4000 barila isan’andro. Raha tanteraka izany dia ho mora lavitra noho ny fanafarana avy any ivelany ny solitany mavesatra vokarina eto Madagasikara, ka ho vahaolana lehibe ho an’ny famokarana herinaratra sy ny fitohizan’ny asa indostrialy. Vinavinaina noho izany fa afaka 2 taona dia ho afaka mamatsy feno ny filan’ny Jirama ny Madagascar Oil, ka ho dingana lehibe amin’ny fanatrarana ny fahaleovan-tena ara-angovo sy ny fampiroboroboana ny toekarena malagasy. Efa volana vitsivitsy izao no niasan’ireo teknisianan’ny Madagascar Oil izay mahafehy manokana ny fitrandrahana solitany mavesatra, ary maro amin’izy ireo no nandrato traikefa tamin’ny fitrandrahana lehibe tany Indonezia. Ny fampitana fahaiza-manao amin’ny teknisiana malagasy dia isan’ny andraikitra lehibe amin’izao dingana vaovao izao.
MANANA NY HOENTI-MANANA REHETRA, HIARA-HIASA AMIN’NY FANJAKANA
Ny fiverenana amin’ny famokarana dia manamafy ihany koa ny fahavononan’ny orinasa hiara-miasa amin’ny fanjakana Malagasy, indrindra amin’ny OMNIS sy ny Ministeran’ny Fitrandrahana Harena an-kibon’ny Tany, mba hahazoana vokatra amin’ny fomba mari-toerana sy maharitra. Misy fepetra lehibe takiana ho antoky ny fahombiazan’ny tetikasa sy ny fampiasam-bola, isan’izany ny fahamarinan-toeran’ny « Contrat de Partage de Production », ny fampiharana ny andininy faha-55 ao amin’ny Code Pétrolier, ary ny fanamboarana ny lalam-pirenena 1Bis izay hanamora ny fitaterana vokatra avy any Tsimiroro. Manamafy ity orinasa ity fa manana ny hoenti-manana na ara-bola na amin’ireo fitaovana fitaterana izay misy vaovao, ny toerana fanatobiana,… saingy mbola tsy afaka ny hamoaka ny antsipirihany ara-bola mikasika ny famerenana ny famokarana noho ny fanarahana ny lalàna sy ny fepetra apetraky ny OMNIS, ka aoran’ny fahazoan-dàlana dia hivoaka amin’ny antsipirihany izany. Marihina fa Madagascar Oil dia tantanin’ny Benchmark Group, orinasa iraisam-pirenena amin’ny sehatry ny angovo izay efa nanatanteraka tetikasa lehibe tany Kazakhstan, Azerbaïdjan ary Californie mitentina mihoatra ny 4 lavitrisa dolara. Ny tetikasa ao Tsimiroro dia tetikasa faha-4 lehibe tanterahin’ity vondrona ity, ary vinavinaina ho dingana vaovao mirafitra sy marin-toerana amin’ny famokarana eto Madagasikara.
Toky R
MADAGASCAR OIL COMMUNIQUÉ DE PRESSE
Niverina ofisialy nanomboka omaly 05 martsa 2026 ny famokarana solitany mavesatra na « fuel lourd » ataon’ny Madagascar oil, araka ny fanambarana ofisialy mifandraika amin’ny fahazoan’ny orinasa Administrateur général vaovao dia i Yanto Sianipar, manam-pahaizana manokana momba ny haifitrandrahana. Marihina fa Madagascar Oil Benchmark Group, orinasa iraisam-pirenena amin'ny sehatry ny angovo, no mitantana an'i Madagascar Oil, ary mpiray ombonantoka Amerikanina sy Indoneziana no tomponʼanjara aminy. Tetikasa faha-4 lehibe tanterahin'i Benchmark Group ny fitrandrahana ao Tsimiroro. Efa nanatanteraka fitrandrahana solitany sy entona fandrehitra tany Kazakhstan, tany Azerbaïdjan ary tany Californie ny Benchmark Group, izay mitentina mihoatran'ny 4 lavitrisa dolara. Miroso amin’ny dingana vaovao mirafitra kokoa sy marin-toerana amin'ny famokarana any Tsimiroro. «Miverina ny fitandrahana, zava-dehibe ho an’ny orinasa sy ny toekarena eto Madagasikara. Manana ekipa sy ny fahaiza-manao feno, manana ny hoenti-manana ara-bola hoentina amin’ny fitrandrahana any Tsimiroro ny Madagascar Oil », hoy Atoa Yanto Sianipar. Ny tenany izay manana traikefa 30 mahery tamin’ny fitrandrahana solika mavesatra mampiasa ny hairaha fampidirana entona any ambanin’ny tany na (injection de vapeur), nalaina tamin’ny fitrandrahana tany Indonezia izay an’ny Chevron. « Zava-dehibe amin’ny fiantombohan’ny fitrandrahana any Tsimirororo ka hitondra ny traikefa ananan’ny tena rehetra an’ny tena sy ny mpiara-miasa, izay norantovina tamin’ny fahaiza-manao eran-tany. », hoy hatrany io manam-pahaizana io.
Nambara fa ny fiverenan'ny famokarana sy ny fiakaran'izany miandalana dia hanamafy orina ny fahaleovan-tena ara-angovon'ny firenena, amin'ny alalan'ny famatsiana ny tsena anatiny amin'ny solitany mavesatra vokatra eto an-toerana ihany amin'ny vidiny mora kokoa. Efa nanomboka ny orinasa, any Antsirabe ka hatrany Antsiranana. Mitana toerana tsara eo amin'ny tsenan'ny sehatra tsy miankina ny orinasa Madagascar Oil noho ny kalitaon'ny solitany mavesatra vokariny Izay mahavita mamaly ny filàna manokanan'ny mpanjifa hahafahan'izy ireo mampitombo ny famokarany mampihena ny saran'ny famokarany herinaratra sy manohy ny asany tsy tapatapaka.
Mampihena ny fiankinana amin'ny fanafarana solitany mavesatra avy any ivelany izany. Taorian'ny nahazoana ny "titre minier" fitrandrahana solitany voalohany teto Madagasikara tamin'ny 2015 dia hita fa azo trandrahina ny solitany mavesatra ao Tsimiroro amin'ny alalan'ny fampiasana ny hairaha mampiditra entona any ambanin'ny tany (injection de vapeur), araka ny fanazavan’ny Madagascar Oil hatrany. Marihina fa nisy fiatoana ny tetikasa noho ny fiovaovana be teo amin'ny tsena iraisam-pirenena noho ny vidiny iva dia iva tsy nahafahana nanao fitrandrahana anatin’ny fatiantoka, fa teo ihany koa ny fiantraika maharitry ny valanaretina COVID-19 izay nandona mafy ny indostrian'ny solitany sy entona fandrehitra manerantany.
«Mamerina ny famokarana ao anatin'ny fandaminana mafy orina sy anaty fahamalinana amin'ny lafiny fitrandrahana sy fampiasana hairaha izahay. Ny laharam-pahamehena dia ny fanaovana an'i Tsimiroro ho fitrandrahana mari-toerana sy mitohy foana amin'ny lavitrezaka », hoy Atoa Yanto Sianipar, Administrateur Général-n'ny Madagascar Oil.
MORA LAVITRA, AFAKA HAMATSY NY JIRAMA AFAKA 2 TAONA EO
Amin’izao fiantombohan’ny fiverenana mitrandraka izao dia ireo vovo na « puits » izay nampiasaina miisa 25 eo no hanaovana ny fitrandrahana, ary heverina fa eo amin’ny 300 barila isan’andro ny vokatra amin’izao fiandohana izao. Ao anatin’ny 2 taona kosa dia ho tafakatra hatrany amin’ny 150 ireo heverina fa hahatratra 3000 barila isan’andro. Betsaka ireo mpanjifa eto Antananarivo sy Antsirabe, ary aoriana dia afaka ny hamatsy ny Jirama izay tena fanirian’ny Madagascar Oil. Ny fiverenan’ny famokarana any Tsimiroro, dia midika zavatra iray lehibe, mora lavitra noho ny solitany mavesatra fanafarana any ivelany ny solitany mavesatra vokarina eto Madagasikara. Misy tombony lehibe eto Madagasikara satria afaka hitondra vahaolana ho an’ny Jirama izay eo amin’ny 4000 barila isan’andro eo ny filany, ka vinavinaina fa afaka 2 taona dia tsy ho lavitra intsony ny Madagascar Oil amin’ny fahafahana mamatsy feno ny filan’ny Jirama.
Efa volana vitsivitsy izao no nanomboka niasa ireo tekinisian'ny Madagascar Oil mahafehy manokana ny fitrandrahana solitany mavesatra hoan'izao famerenana ny famokarana sy ny fanitarana azy miandalana izao. Isan'ny andraikitr'izy ireo ny fampitana fahaiza-manao amin'ny teknisiana malagasy, Maro amin'ireo teknisiana am-perinasa ireo no nandrato ny traikefany tamin'ny fitrandrahan'i Duri any Indonezia, izay fitrandrahana isan'ny lehibe indrindra maneran-tany mampiasa ny hairaha fampidirana entona any ambanin'ny tany hitrandrahana solitany mavesatra.
Manamafy ny fahavononana hiara-miasa akaiky amin'ny fanjakana Malagasy ny orinasa Madagascar Oil, voalohany amin'izany ny OMNIS sy ny Ministeran'ny Fitrandrahana Harena an-kibon'ny Tany, hahafahana mamokatra solitany mavesatra am'ny fomba mari-toerana sy maharitra, hampiroboroboana ny toekarena malagasy. Misy fepetra vitsivitsy izay tena lehibe tokoa ho antoky ny fahombiazan'ny fampiasam-bola sady takian'ny fandrafetana lavitrezaka ny fitrandrahana. Isan'izany ny fahamarinan-toeran'ny « Contrat de Partage de Production», ny fampiharana ny andininy faha-55 ao amin'ny Code Pétrolier ary ny fanamboarana ny lalam-pirenena 1Bis izay hitaterana vokatra avy any Tsimiroro. Noho ny fanarahana ny lalàna sy ny fepetra izay apetraky ny OMNIS, dia mbola tsy afaka miteny ny ara-bola amin’ny fameranana ny fitrandrahana, hozaraina kosa vao mivoaka ny fahazoan-dàlana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.