Actualités

Madagascar National Park Nodimandry ny tale Jeneraly


  • Sabotsy 02 Mey 2020

Nodimandry ny marainan’ny alakamisy teo tatsy amin'ny Nosy Maorisy ny tale jeneralin’ny Madagascar National Park, ny Dr Guy Suzon Ramangason, fantatry ny maro tamin'ny fananganana ny ANGAP, izay nivadika ho io MNP io taty aoriana.

 

 

 

 Manam-pahaizana manokana momba ny haivoary momba ny ala na « ecologie forestière» ny tenany ary efa mpampianatra mpikaroka teo anivon’ny oniversiten’Antananarivo 1982 – 1988. Efa mpandrindra ny fandaharan’ny firenena mikambana teo anivon’ny PNUD sy UNESCO ihany koa ny taona 1988 – 1994. Marobe ankoatran’ireo ny andraikitra efa niantsorohany mikasika ny tontolo iainana eto anivon’i Afrika sy i Madagasikara. Mpanolontsaina tekinika fototra tamin’ny anaran’ny rafitra iraisampirenena UICN tany Kameronina sy Afrika afovoany ny taona 1995 – 2000 ary nitarika ny fandaharan’asa momban’ny fiarovana sy fampandrosoana maharitra. Naneho ny alahelony sy nirary fankaherezana ireo izay akaiky azy rehetra moa ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy izay fampandrosoana maharitra izay. Ny fianakaviamben’ny gazety Tia tanindrazana koa dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT