«Tsy hainareo angaha fa namako ny filohan’ny HAT, hotoriako aminy ianareo fa tsy mahay miasa». Anisan’ny teny navoakan’ity rangahy iray manan-janaka mianatra ao amin’ny Lycée Jacques Rabemananjara, nanao be fihavy raha nantsoin’ny sekoly izy ny talata 2 martsa lasa teo, noho ny ditran-janany.
Roa no zanak’ity rangahy ity mianatra ao amin’ity Lycée tokana ao Toamasina ity. Tsy vitan’izay, araka ny loharanom-baovao, fa mbola norahonany ireo mpanaben’ny Lycée. Vokatr’izay tsy fanajana mpanabe sy mpitantana ny sekoly izay, ary noho ny teny midina avy eny anivon’ny Cisco Toamasina sy ny Dren Atsinanana araka ny baiko azon’izy ireo, hamerenana ireo zaza maditra hiverina an-tsekoly nefa efa voaroaka noho ny ditra, dia nitokona ary tsy nety nampianatra mihitsy ireo mpanabe tao amin’ny Lycée, nanomboka ny alarobia 3 martsa, raha tsy miala eo anivon’ny sekoly ireo zaza ireo.
Lasa mampiana-dratsy ny mpianatra sy ny ray aman-dreny aty aoriana indray, hoy ny mpanabe raha diso mandefitra amin’ny olona maniratsira tsy manaja na kely akory aza. Fidarohana mpampianatra fanatanjahantena moa no nitenenana sy nanitsiana ary nanasaziana ireto mpianatra maditra ireto. Io antony io no nisian’ny «Conseil de discipline» natao ka niantsoana ny ray aman-drenin’ireto mpianatra roa lahy ireto. Nandritra ny fifanazavana anefa dia tsy vahaolana iraisana na fifonana no nasetrin’izy roa lahy sy ny rainy, fa fandrahonana nampian’ny filazana fa mahalala sady mpinamana amin’ny filohan’ny HAT no nataon’izy ireo tamin’ireo mpanabe ny Lycée. Tsy nilefitra koa anefa ireo mpanabe ka nandefa taratasy mazava tany amin’ny Dren sy ny Cisco ary ny Minisitera hijery akaiky izao raharaha izao. Tsy manaiky ny hihazona ireto mpianatra mirahalahy ireto intsony ny Lycée ary raha miziriziry ny tompon’andraikitra dia ireo mpanabe indray no handray fepetra mikasika izany, ka hitsahatra amin’ny fampianarana.
Tsy nijanona teo ny raharaha fa nitohy, ka omaly 4 martsa 2010 nandritra ny ora fidiran’ny mpianatra, dia tonga nitondra an-janany efa voaroaka ilay raim-pianakaviana. Raikitra ny savorovoro teo amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra an-daniny ary ilay rangahy sy ny zanany an-kilany. Tsy nety intsony ny fifampiresahana ka dia raikitra ny savorovoro tao amin’ny Lycée Jacques Rabemananjara. Nitangorona ny mpianatra izay tsy manaiky ihany koa ny fandraisana intsony azy roalahy satria mety hitarika hitokonan’ny mpampianatra ny fanaovana izany. Niakatra ny feo, niantso ny hery vonjitran’ny polisy (FIP) ao Toamasina ny Proviseur-n’ny LJR hisorohana ny korontana. Efa hendratrendratra be ihany koa ireo mpianatra vokatry ny fifanazavana zary lasa fifamaliana teo amin’ilay raim-pianakaviana sy ny mpanabe ary ny mpitantana. Tonga ny Polisy ary nisambotra avy hatrany, hialana amin’izay korontana izay. Tsy naharitra anefa ny mpianatra sasany fa nanampy toraka, ka nipoaka ny basy, natao tifi-danitra ny polisy. In’efatra nanapoaka basy ny FIP ka nampisaritaka ny mpianatra sy nahatonga ny savorovoro izany.
Tsy nisy ny naratra vokatry ny tifitra, fa ny fianjerana vokatry ny tahotra sy ny fikoropahana tamin’ny fahenoana ny feom-basy, no nandratra mpianatra maromaro saingy tsy tena atahorana loatra ireo ratra. Marihana fa efa nisy ny taratasy "fanekena" nataon’ny iray tamin’ny zanak’ity rangahy ity, Nasolo no anarany, teo anatrehan’ny mpanabe mikasika ny fialany eo anivon’ny sekoly raha tsy manaja manomboka izao ny fitsipiky ny sekoly izy. Tsy nanaiky izany intsony anefa ireo mpanabe noho ny nataon-drainy tonga nanakorontana tao an-tsekoly, ka nanome safidy izy ireo "na i Nasolo miverina, na izahay mpanabe tsy hampianatra".
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.