Niaritra ihany fa efa tsy zaka intsony ! Nitokona roa andro ireo mpampianatra “suppléants” ao amin’ny Lycée Technique Professionnel Beravina Fianarantsoa noho ny tsy mbola naharaisan’izy ireo ny tambin-karamany hatramin’ny volana oktobra 2013
Re anefa fa efa vonona hatramin’ny 7 aprily 2014 ny volan’ireto mpampianatra ireto fa noho ny tsy fahasalaman’ny “Agent comptable” no nitarika ny fahataran’ny fandoavana azy. Voalaza ihany koa fa efa nosoloina io tompon’andraikitra io saingy tsy mbola tontosa ny famindram-pahefana ka dia eo am-pamahana izay olana izay no sisa. Ny kibo anefa tsy mba lamosina, manampy trotraka koa ny fitarazohan’ny fanjakana amin’ny fandraisany fanapahan-kevitra, ka matetika efa mijolofotra ny grevy vao mikoropaka mamono afo !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.