Actualités

Lozam-pifamovoizana Tranga 451 no niseho teto Madagasikara tao anatin’ny fito volana


  • Alatsinainy 11 Aogositra 2014

Teo anelanelan’ny volana janoary ka hatramin’ny volana jolay 2014 dia 451 ny tranagana lozam-pifamovoizana niseho teto Madagasikara.

Io no antontanisa nomen’ny borigady misahana ny lozam-pifamovoizana ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny 159 amin’ireo dia loza avy amin’ny moto ary nahitana faharatrana sy fahasimban-javatra, ny 13 tamin’io isa farany io no nahitana fahafatesana. Teo amin’ny fiara indray dia azo lazaina fa nisinisy ihany satria 109 be izao ny tranga voamarina ary fiara fitaterana no tena maro an’isa, ka nahitana faharatrana sy fahasimbana ihany koa. Ny 13 amin’io tarehimarika io no nahitana fahafatesana. Nisy ireo antony hafa voamarina teo anivon’ity sampan-draharaha ity ka 78 dia lozam-pifamovoizana avy amin’ny hamamoana sy tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpamily. Nisy noho izany ny fanentanana nataon’izy ireo ka nilazan’Atoa Roger Relisa lefitry ny lehiben’ny sampana misahana ny lozam-pifamovoizan fa tokony hitandrina, hikojakoja ny fiarany ny tsirairay ary tsy hanome ny familiana amin’ireo olona mbola tsy matotra sy tsy manana fahazoan-dalana, indrindra ihany koa tsy handeha mafy rehefa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT