Actualités

Lozam-pifamovoizana teny Ampitatafika Olona roa maty , iray naratra mafy


  • Alarobia 17 Septambra 2014

Olona roa no maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana tetsy Ampitatafika. Ny iray mpanamboatra bisikileta, maty tsy tra-drano nipotsaka atidoha nofaohan’ny fiara mazda mpitatitra mampitohy an’Antananarivo sy Analavory tetsy amin’ny lalana mihazo an’Ampitatafika, afaka kely an’Antanimenakely

an’Antanimenakely iny omaly tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro. Mpandeha roa kosa no naratra mafy ka fantatra fa namoy ny ainy koa ny iray rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. Raha ny fahitana ny loza dia nandeha mafy ihany ity fiara ity saingy tsy nahafehy ny familiana intsony ny mpamily ka nandona ireo  olona teo amin’ny sisin-dalana ary avy eo nifatratra teny an-tanimbary. Mafy dia mafy ny fisehon’ny  loza satria azo lazaina fa potika tanteraka ilay fiara ary niparitaka manerana ny arabe ny entana rehetra nentiny. Matetika no hisehoan’ny loza tahaka izao iny lalana iny, araka izany tokony hitandrina hatrany ireo mpamily satria fihetsika kely tsy tandrina dia mampidi-doza. Eo am-pelatanan’ny zandary ao Ampitatafika moa ny raharaha amin’izao fotoana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT