Actualités

Lozam-pifamovoizana mahatsiravina 8 maty, 31 naratra mafy


  • Zoma 01 Aogositra 2014

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona indray ny alarobia 30 jolay hariva lasa teo tany amin’ny lalam-pirenena faha-6 mankany Antsohihy iny. Fiara taksibrosy handeha hiakatra aty Antananarivo no tra-doza teo anelanelan’Antsohihy sy Befotaka fiara avy any Antalaha izy io ary saika hihazo aty an-drenivohitra izao tra-doza izao

Hatreto raha ny fantatra dia olona 8 no maty ary  31 kosa naratra mafy. Avy hatrany moa dia nentina ao amin’ny hopitaly be Antsohihy ireo naratra ka misy amin’izy ireo mbola miady amin’ny fahafatesana, misy ny tapa-tanana, voadona mafy eny amin’ny loha ... Tsy fantatra mazava aloha izay tena nahatonga ny loza fa raha ny fantatra dia somary nandeha mafy ihany ity fiara ity ka inoana fa mety ho anisan’ny nahatonga ny loza izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT