Omaly maraina vao mangiran-dratsy dia nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Ankatsaoka Imerintsiatosika
. Raha ny vaovao voaray avy teny an-toerana dia 3 no maty ary 25 naratra mafy. Fiara avy namonjy tsena tao Imerintsiatosika ho any Itasy ny fiara mazda voalohany nisongona sarety. Tsy hitan’ilay fiara avy any Arivonimamo izany, izay mbola mazda ihany koa. Avy hatrany dia nifampitandroka. Mafy ny fifandonana ka potika tanteraka ireto fiara ireto ary tsy nisy azo noraisina intsony raha ny voalaza hatrany. Nisy ny tapa-tongotra, teo ihany koa ny voadona teo amin’ny lohany. Nentina faingana teny amin’ny hopitaly be ao an-toerana ireo naratra. Ny maty kosa mbola miandry ny havany. Ny fanamarihana nataon’ny olona dia samy nilaza fa nandeha mafy ireo fiara ary tsy nisy nanampo ny fifanenana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.