Actualités

Lozam-pifamoivoizana nahatsiravina Nandriaka ny ra tany Behenjy


  • Alatsinainy 23 Jona 2014

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tamin’ny lalam-pirenena faha-7, teo anelanelan’i Behenjy sy Ambatolampy omaly tolakandro, tokony ho tamin’ny efatra ora teo.

 Fiara kely Peugeot 205 no nivarina tany anaty hantsana, nitontona tamin’ny tani-mangahazo ary tsy tafajanona raha tsy teny amoron-drano, efa ambivitra tsy hilatsaka tao anaty rano. Mafy ny dona, potika tanteraka ilay fiara, nandriaka ny ra. Olona enina, saika mbola tanora avokoa no tao anatiny. Ireo fiara sendra nandalo ka nahita ny loza no nijanona ka nifanampy namoaka azy ireo tao anaty fiara, izay tena nananosarotra, hoy ireo nanatri-maso. Efatra no namoy ny ainy ary ny roa mbola miady amin’ny fahafatesana araka ny vaovao farany azonay teo anivon’ny zandarimarima Behenjy omaly tamin’ny valo ora alina. Izay no vaovao anananay farany, hoy izy ireo. Tsy voafaritra mazava kosa ny tena antony nitarika ny loza.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT