Mponin’Imeritsiatosika avokoa ny ankamaroan’ireo namoy ny ainy sy ireo naratra mafy vokatry ny fifandonan’ny taksibrosy teny Katsaoka, amin’ny lalam-pirenena voalohany ny talata lasa teo.
Betsaka amin’izy ireo no tezitra mafy amin’ilay mpamily nitondra ny fiara minibus Mazda fototry ny loza. Misy mihitsy ireo mandrahona ny hanao valifaty amin’ilay mpamily. "Tsy voavidiny vola velively ny ain’ny reninay !", hoy ity raim-pianakaviana iray nisafoaka. Ny an’ity raim-pianakaviana faharoa hafa dia vehivavy ao anatin’ny fianakaviany izay hividy akanjo mianjaika ho an’ny zanany lahy saika hampaka-bady anio sabotsy no anton-diany ho aty an-drenivohitra kanjo fahafatesana no nitsena azy noho ny kitoatoa nataon’ity mpamily ity. Efa fanindroany izao, hoy ny loharanom-baovao no niharan-doza ity fiara ity ary vao tamin’ny janoary teo ny voalohany. Ankoatra azy dia misy mpamily mampitohy ny faritra andrefan’Analamanga iny ataon’ny mpandeha ao anaty "lisitra mainty" ka efa andrasan’izy ireo kendry tohina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.