Loza tetsy Mahamasina

7 amin’ireo ankizy 10 mbola tsy mahatsiaro tena


  • Alatsinainy 28 Aogositra 2023

Mbola mahatratra 18 isa hatramin’ny omaly ireo olona naratra tetsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina tamin’ny zoma teo

no manaraka fitsaboana etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefoloha. 12 ka hatramin’ny 20 ny salan-taonan’izy ireo ka ankizy no betsaka raha araka ny fanadihadiana natao. Tapaka, voamafy tany amin’ny lohany sy ny tratrany ny ankamaroan’izy ireo izay mety hila fandidiana ny ankamaroany. Na izany aza dia fantatra fa ny fitondram-panjakana no handray an-tanana izany. Eo an-daniny velon-taraina ihany ny ankamaroan’ireo fianakaviana manana ny marary noho ny fahasahiranana tsy maintsy iainana isan’andro na dia saran-dalana hivezivezena sy ny adin-tsaina eo am-piatrehana ny fitsaboana ilay marary ihany aza. Tsiahivina moa fa ny 7 amin’ireo zaza miisa 10 lasibatra hatramin’ny omaly hariva nahazoana ny vaovao no mbola tsy mahatsiaro tena. Vokatry ny dona mafy nahazo azy ireo avokoa no mahatonga izany. Ny ambiny kosa efa mba metimety. Miisa 97 moa ireo naratra tamin’iny andron’ny Zoma fotoana nanokafana ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11 notanterahina tetsy Mahamasina tamin’ny Zoma raha miisa 12 kosa ireo voalaza fa namoy ny ainy.
Pati
Legende : Ankizy ny ankamaroan’ireo mbola manaraka fitsaboana etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT