Loza tao Ambositra

May ny Tranom-panjakana


  • Alakamisy 09 Jolay 2026

nefa tsy misy "Pompiers"

Nitrangana haintrano tao amin'ny Fokontany Andrefantsena Kaominina Ambonivohitra Ambositra Renivohitry ny Faritra Amoron'i Mania, omaly atoandro. Tranom-panjakana izay fonenan'ireo mpiasan'ny Kaominina Ambositra faharoa no nirehitra, vokatry ny ankoson'aratra. Ny mpiara-monina sy ny mpitandro filaminana no nifanome tanana tamin'ny famoahana ny entana sy famonoana ny afo. Soa fa tsy nisy ny naratra sy aina nafoy ary efa voafehy ny afo. Tonga nijery ny zava-nitranga ny Lehiben'ny Faritra Amoron'i Mania Rakotomalala Hari-Liva, ny Prefet n'Ambositra ary ny Ben'ny Tananan'Ambositra faharoa. Nankahery ireo niharam-boina izy ireo. Nanao antso avo amin'ny fitondram-panjakana ny Lehiben'ny Faritra ny mba hisian'ny Sampana Mpamonjy voina na "Pompiers" ao Ambositra, hisorohana ny loza mitranga tahaka izao.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT