Actualités

Loza nitranga tany Ankazomborona Vehivavy roa no hita velona teny amin’ny RN6


  • Zoma 17 Martsa 2023

Ao anaty fikarohana ireo tompon’antoka tamin’ny fikarakarana ny fitondrana sy fitaterana olona hivoaka an-tsokosoko any Mayotte ny zandarimariam-pirenena ao amin’ny faritra Diana amin’izao‚

hoy ny fampitam-baovao voaray. Miara-misahalahy sy manampy ‚ raha manam-baovao ny vondron-tobim-pileovana manodidina azy mba ahafahana mandray fepetra manoloana iny tranga namoizana ain’olona maro tany Ankazomborona, distrika Ambilobe iny. Voasakana teo Andilambe ‚ lalam-pirenena faha 6 (RN6) ‚ fifanenana eo Befandriana avaratra‚ ireo vehivavy miisa 2‚ 24 taona sy 15 taona anisan’ireo tafavoaka velona tamin’iny loza nitranga tany Ankazomborona‚ nandeha taksiborosy avy tany Ambilobe ny alatsinainy 13 martsa 2023 teo. Tsy nisy entana izy ireo‚ niendakendaka ny vatany ary nampahonena tokoa nahita azy miarahavavy. Nentina namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany izy roa. Nividianana lamba sy fitaovana ilainy rehetra ary nokarakaraina ny momba azy mba ho tony sy hilamin-tsaina ahafahana miroso amin’ny famotorana hahitana ny marina momba iny tranga iny. Ny zandary no miantoka ny lany rehetra amin’ny fitsaboana sy fikarakarana ireto traboina mirahavavy ireto. Tsy mbola misy azo resahana ny zandary fa mbola manao ny famotorana. Noraisina ho lasibatra izy mirahavavy . Ankoatrany ratra izay nahazo azy dia manampy trotraka ny fikorontanan-tsainy izay ezahana alamina ahafahany miatrika ny famotorana. Efa mihatsara ny fahasalamany‚ efa tonga ihany koa ireo zandary misahana ny famotorana avy any Ambilobe ‚ hoy ny Kolonely Lys Odon Randriamidona ‚ komandin’ny vondron-tobim-pileovana Sofia ‚ nitondra fanazavana. Tsiahivina fa efa nisy botry nitondra olona am-polony mahery nikasa hivoaka an- tsokosoko any Kaomoro‚ tra- tehaky ny zandary tao Ambatobe Maromandia ny febroary 2022, hoy hatrany ny fampatsiahivana sy fampitam-baovao voaray.
J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT